
PolitikaSongadim-baovao
FANARENANA NY TOEKARENA – FEC III : Hanome 31,9 Tapitrisa dolara ny FMI
Famatsiam-bola entina hanarenana ny toekarena vokatry ny loza voajanahary sy ny fiantraikan'ny ady any Okrainina, izay mitentina 31,9 tapitrisa dolara no azo avy amin’ny Tahirimbola iraisampirenena (FMI), taorian’ny fankatoavana ny famoahana ny ampahany fahatelo amin’ny FEC na ny Facilité Elargie de Crédit.
Mitentina 31,9% Dolara ny fanampiana ara-bola azon’i Madagasikara avy amin’ny Tahirimbola iraisampirenena na ny FMI taorian’ny fankatoavan’izy ireo ny ampahany fahatelo amin’ny FEC na ny Facilité Elargie de Crédit, afak’omaly. Anisan’ny hampiasana ity vola ity ny fanarenana ny toekarem-pirenena taorian’ny loza voajanahary nisesisesy, eo koa ny ady any Okraina, araka ny fanazavana. Tafiditra ao anatin‘izany ny fandrakofana ny filana ara-bola ivelany, sy ara-tetibola. Araka ny tatitra omaly dia fenon’i Madagasikara ireo fepetra maromaro napetraky ny FMI amin’ny fahazoana ity fanampiana ity taorian’ny tombana nataon’izy ireo.
Anisan’ireo fepetra nahazoantsika ity famatsiambola ity, araka ny fanambaran’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, ny nahatrarantsika ny tahan’ny harinkarena faobe izay nahatratra 4,3% tamin’ny 2021, na dia teo aza ny Covid-19 sy ny olana samihafa natrehin’ny firenena. Anisan’ny nahafahantsika nahazo ny famatsiambola koa ny fahavitana nampiakatra ny tahan’ny hetra miditra teo amin’ny fadintseranana sy ny nanajana ny fetra farany ambony amin’ny trosam-panjakana, izay nifanarahana tamin’ny FMI. Notsindrian’ny Minisitra fa i Madagasikara dia manana fetra izay tsy azo ihoarana rehefa manao trosa. “Voahaja izay trosam-panjakana izay ka nahafahantsika nahazo an’ilay famatsiambola”, hoy izy.
Fangaraharana nataon’ny Fanjakana
Tamin’ny ankapobeny dia ny ankamaroan’ireo fanavaozana izay niarahana tamin’ny FMI dia tanteraka avokoa, na dia nisy aza ny fahatarana tamin’ny fanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny famoahana ilay tatitry ny fitsirihana mahaleotena momba ny tsenambaro-panjakana tamin’ny Covid-19 izay anisan’ny nankasitrahan’ny FMI manokana ny fangaraharana nataon’ny Fanjakana. “Tany aloha dia tsy nisy akory ny antontanisa izay azo nojerena tao amin’ny tranonkalan’ny Minisitera. Nanomboka tamin’ny fanavaozana nentina tamin’ny fandaharanasa FEC dia efa mivoaka ao izany”, hoy ny Minisitra. Nankasitrahan’ny FMI ihany koa ny fanavaozana ny vidin-tsolika eny amin’ny paompy. Tsiahivina fa iraisampirenena ny olan’ny fiakarambidin-tsolika, kanefa fahasahiana manokan’ny Fitondrana malagasy ny hijerena manokana ny vidin’ny solika, hoy ny fanazavana. Ezaka vitan’i Madagasikara koa ny fandraisana ilay “tarif optima business”.
Na izany aza, nanambara ny solontenan’ny FMI eto Madagasikara fa misy ireo sehatra mbola mila ilàna ezaka, toy ny fampiasambolam-panjakana izay tokony hitodika bebe kokoa amin’ny fampiasambola sosialy. Eo koa ny fifampidinihana amin’ny fanatsarana ny fampidiran-ketra anatiny, mba hanamorana sy hanafainganana indray ny famoaham-bola manaraka. Nambaran’ny Minisitra fa isan’ny ezaka efa mandeha amin’izany ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fampidirana ny hetra.