Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina

FAMPIFANGAROANA GAZOALA SY SOLITANY : Olona enina efa voasambotra, tsy maintsy fongorina ireo tambajotrana mafia

Misy tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena anisan’ireo voatondro ho atidoha amin’ny raharaha fampifangaroana solitany sy gazoala, naresaka tato anatin’ny andro maromaro izay, araka ny sahoan-dresaka mandeha. Hatreto, tsy mbola voaporofo ny fanamarinany na tsia, tsy mbola naharenesam-peo ihany koa ireo tomponandraikitra voatonontonona. Olona enina kosa no efa fantatra fa voasambotra ary hanaovana fanadihadiana, hatramin’ny omaly.

Raharaha mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao hatreto ny mahakasika ny trangana fanampohana gazoala niseho tato anatin’ny andro maromaro. Mpampiasa fiara maro no velon-taraina, satria tsy vitan’ny mora lany ireo solika voatampoka, fa manimba ny moteran’ny fiara ihany koa. “Mpambotry firenena, no sady mpamosavy vahoaka ireo olona manao izany”, hoy ny Governoran’ny Faritra Atsinanana, Fidison Richard, omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ity raharaha ity. Araka ny nambarany dia olona miisa enina no efa voasambotra ary nanaovana fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

Tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsy

Raha hiverenana ny zava-niseho nahafahana nahatratra ireo olona ireo, dia niainga tamin’ny angom-baovao sy ny ezaka nataon’ny zandary notarihin’ny Kolonely Josh Rabemanantsoa, Kaomandin’ny Faripiadidian’ny zandarimaria Toamasina sy ny Section de recherche criminelle Toamasina izay ny lietna Kolonely Tonny Rakotonarivo no lehibeny nanao ny fanarahamaso ireo fivarotana solika rehetra ary ilay iray efa nohahiahiana.

Ny 17 Septambra 2022, dia nahita ireo zandary fa misy fiarabe mitondra barika 15 ka 250 litatra ny iray, izay feno solitany na pétrole. Narahina izy io ary io no nitondra nankany amin’ny toerana iray iray fanaovana ilay asa ratsy, dia fampifangaroana ilay solitany sy gazoala ary acide sulfurique. Rehefa nahazo alalana tamin’ny “Procureur de la République” ny zandary sy ny solontenan’ny OMH dia niditra tao ary nahatratra ireo olona mbola nanao io asa ratsy io. Hita tao koa ireo fitaovana maro fanaovan’izy ireo ny asa ratsy, toy ny barika, ny moto pompe, tavoahangy misy acide sulfurique, ny tuyau, ny bidons kely 20 litatra, ny kamiao citerne, ny kamiao nitondra ireo barika misy solitany, ary ny fiara haka ireo efa vita. 06 mianadahy no tratra, ary efa ampelatanan’ny zandary ao amin’ny “section des recherché criminelles” izy ireo atao fanadihadiana.

Tomponandraikitra ambony

Vao nanomboka niely tsikelikely ny momba ity vaovao ity, dia nisy ny sahoan-dresaka milaza fa misy olona ambony eto amin’ny firenena isan’ny tompon’antoka tamin’izao raharaha izao. Nisy mihitsy aza gazety an-tsoratra efa nanonona anarana Minisitra sy Solombavambahoaka voalaza fa atidoha mampanao ity asa ratsy ity. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy porofo nanamarinana izany, ary tsy mbola nandrenesam-peo koa ireo tomponandraikitra voatonontonona ao anatin’ny raharaha. Nohamafisin’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana kosa, tetsy ankilany, fa na iza na iza tafiditra ao amin’izao raharaha izao dia tsy afaka ny hiaro azy ireo ny Fanjakana. Etsy ankilany, manentana hatrany ny zandary ny hanomezana loharanom-baovao mahakasika ny tranga toy izao mba hamongorana ny mpanao ratsy.

Fermer