PolitikaSongadim-baovao

FAMPISITRAHANA KOPIA SY KARAPANONDRO FAOBE : “Tsy tokony hanao takalon’aina ny vahoaka ny Mpitsara”, hoy ny SG-n’ny Minisiteran’ny Fitsarana

Tsy mihemotra fa miroso hatrany ny Fitondram-panjakana amin’ny hetsika fampisitrahana soram-piankohonana sy karapanondro faobe ho an’ny olona feno taona maherin’ny telo tapitrisa, tsy mbola nisitraka izany manerana ny Nosy. Manoloana ny fanambaran’ny Sendikan’ny Mpitsara milaza ny tsy handray anjara amin’ny hetsika, dia nilaza omaly ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, fa fanaovana takalon’aina ny Vahoaka izany, satria zon’ny olom-pirenena feno taona ny misitraka ireo antontan-taratasy ireo.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny voalohan’ny volana septambra teo, tao Manakara ny hetsika soram-piankohonana sy karapanondrom-pirenena faobe, izay hiarahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Minisiteran’ny Atitany misalahy. Hatrany am-piandohana anefa dia efa nilaza ho tsy hanatanteraka ity hetsika ity ny teo anivon’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM). Voalaza ho ny fiahiahiana ambadika politika no antony, araka ny fanazavana. Notsindrian’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, Raby Savatsarah omaly, fa ara-dalàna, ary tsy misy ambadika politika velively ny fanaovana ity hetsika ity. Ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara, hoy izy, dia milaza fa isaky ny 10 taona no hanaovana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Raha toa ka tamin’ny 2012, noho izany, no nisy fanavaozana tanteraka farany, dia ara-dalàna tsara raha amin’ity taona 2022 ity no hatao indray izany ho fanajana ny lalàna. Tsara ho fantatra fa ireo olona miisa telo tapitrisa kendrena hahazo karapanondrom-pirenena ireo dia anisan’ireo vinaina hanampy isa ao anatin’ny lisi-pifidianana vaovao.

Efa nisy ny fifampidinihana teo amin’ny Minisitera roa tonta, tany amin’ny volana jona, nijerena ny fanatanterahana ny hetsika araka ny lalàna sy ara-teknika. Hita tao anatin’izany fa ara-dalàna tanteraka ny hetsika rehetra fa tsy misy tsy fanarahan-dalàna velively, hoy ny fanazavan’ity tomponandraikitra ity. “Manoloana ny fanapahan-kevitry ny Sendika, miantso ny mpitsara rehetra manerana ny Nosy izahay mba tsy hanao takalon’aina zana-bahoaka rehetra. Fiainam-pirenena io fa tsy fiainan’ny mpitsara iray fotsiny, na ny sendika”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera. Nomarihin’ity tomponandraikitra ity fa efa misy ny fifampiresahana sy ny fifandresen-dahatra efa mandeha amin’izao fotoana izao. Araka ny fanampim-panazavana hatrany, dia tombony ho an’ny Mpitsara ny fanaovana io hetsika io, satria lasa manafaingana ny asam-pitsarana atao.

Efa mandeha ny asa

Tsara ho fantatra fa misy fizarana roa lehibe ireo toerana hanaovana ny hetsika, izay mila enjehina, amin’izao fotoana izao. Ny “axe” voalohany dia ny tapany atsimo manomboka eo amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, Manakara , Mananjary, Vangaindrano, Farafangana, hatrany Taolagnaro. Ny “axe” faharoa kosa ny dia tapany mianavaratra, manomboka eo Ankazobe, Maevatanana, Boriziny, Antsohihy, Mampikony, Ambilobe Ambanja, hatrany Antsiranana. Raha ny tatitra dia ireo toerana ireo no anisany betsaka olona mbola tsy manana karapanondro taorian’ny fanisana natao. Araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny Fitsarana dia efa mandeha ny hetsika ankehitriny. Efa misy ireo distrika izay nahazo ny taratasy hahafahana manao izany. Marihina fa tsy maintsy mahazo ny taratasy avy ao amin’ny tranompirintim-pirenena ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany izay vao afaka manao ny Karapanondrom-pirenena, araka ny fanazavana. Ho an’ny ao amin’ny Faritra Sava manokana ohatra, dia efa mandeha ara-dalàna ny hetsika, ary maro be no vita an-toerana. Efa manomboka tsikelikely koa ny faritra sasany.

Fermer