
PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA VOLAMENA 73KG: Mbola nitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana fandravana didy ireo voarohirohy
Eny anivon’ny Fitsarana fandravana didy ankehitriny ny antontan-taratasin’ady mahakasika ny raharaha Volamena 73Kg, tratra tatsy Afrika Atsimo, araka ny nambaran-dRazafindrakoto Solofohery, tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny Tendrom-pitsarana iadiana amin'ny kolikoly (PAC). Raha ny fanazavana dia nisy tamin’ireo voarohirohy no nandefa ny raharaha teny amin’ity rafi-pitsarana ity, ka miandry ny vokatr’izay vao afaka mitohy indray ireo dingana ara-pitsarana manaraka.
Mbola tsy tonga eny amin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly na ny PAC ankehitriny ny antontan-taratasy izay mahavoarohirohy olona 32, mahakasika ny raharaha fanondranana an-tsokosoko volamena milanja 73Kg. Araka ny fanazavan-dRazafindrakoto Solofohery, tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), dia misy tamin’ireo voapanga no nanao fandravana ny didim-pitsarana izay mandefa ny raharaha hotsaraina eo amin’ny adiheloka bevava. Voatery nalefa eny amin’ny fitsarana fandravana didy, araka izany, ny raharaha, ka rehefa miverina avy any ireo antontan-taratasin’ady izay vao miverina hotsaraina, hoy ny fanazavana.
Raha tsiahivina, tany amin’ny fiandohan’ny volana janoary 2021 no nahatrarana ireo telo lahy nitondra ny volamena 73,5kg tany Afrika Atsimo. Nanomboka teo dia nisesisesy ireo fakana ambavany sy famotorana natao. Tafiakatra 32 ireo olona noahiahina, misy teratany malagasy sy teratany indianina. Tomponandraikitra ambony teo anivon’ny ACM ihany koa no voasaringotra tamin’ny raharaha. Hatreto, na dia efa nandefa taratasy fangatahana fampodiana ireo volamena sy ireo telo lahy voatazona any Afrika Atsimo aza ny Fanjakana dia samy mbola tsy nisy tafaverina eto an-tanindrazana ireo. Voarohirohy 14 kosa no efa naiditra amponja, ny 11 amin’ireo eto Madagasikara, ary ny 3 kosa mbola any Afrika Atsimo.
Tontosa omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny mpandrindra nasionalin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (PAC) teo aloha, sy ny mpandrindra nasionaly vaovao Rabarijaona Rivo Nandrianina. Nambaran’ity farany fa isan’ny laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly mba hisian’ny fifandrindrana asa. Tanjona koa ny hampanatonana bebe kokoa ny fitsarana miady amin’ny kolikoly any amin’ny vahoaka. Tsara ho fantatra fa raha ny lalàna dia tokony ho isaky ny renivohi-paritany no isian’ny PAC, nefa hatreto, noho ny tsy fahampian’ny mpitsara, ny mpandraharaha, sy ny mpiraki-draharaha, dia mbola Antananarivo sy Mahajanga ihany no misy. Amin’izao fotoana izao dia efa andalam-pametrahana ny Pac ao Fianarantsoa, izay vinaina ho vita amin’ny telo volana voalohany amin’ny taona 2023. Ho an’ireo faritany tsy mbola misy Pac kosa dia ireo rantsana (antenne) no apetraka, izay mifandray amin’ireo Pac amin’ireo renivohi-paritany efa misy ihany.