PolitikaSongadim-baovao

TAHIRY MAITSO HO AN’NY TOETR’ANDRO : Hanohana ny fahazoana ny anjaran’i Madagasikara ny Firenena Mikambana

Tafiditra tanteraka tao anatin’ny dian’ny Filohan’ny Repoblika tany New York ny fihaonana tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, Antonio Guterres, ny 22 septambra 2022 teo. Araka ny tatitra dia nanakoako hatrany amin’ny antanan-tohatra ambony indrindra eo anivon’ny Firenena Mikambana ny antso avo nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ireo Firenena tena mpandoto tontolo iainana ny hanatanterahan’izy ireo fifanarahana tamin’ny COP21 izay nohamafisina nandritra ny COP26. Nanambara, araka izany, Atoa. Antonio Guterres fa hanohana an’i Madagasikara amin’ny fahazoan’ny firenena malagasy ny anjarany amin’ilay Tahiry Maitso ho an’ny toetr’andro na « Fonds vert Climat », izay misy famatsiam-bola mitotaly 100 miliara dolara isan-taona ho an’ireo Firenena andalam-pandrosoana. I Madagasikara rahateo dia efa nahavita nandrafitra ny « Plan National d’Adaption » ka hanamora ny fisitrahana izany anjarany izany.

Ankoatra ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, dia nanamafy ny fanohanan’ny Firenena Mikambana an’i Madagasikara ihany koa ity Sekretera Jeneraly ity, indrindra amin’ny fanatanterahana ireo vina sy paikady entina hampiharin-doha an’i Madagasikara manoloana ireo krizy maneran-tany toy ny ady any Ukraine. Nambarany ihany koa fa hisokatra tsy ho ela eto Madagasikara ny biraon’ny UNEP na ny « Agence Onusienne de Protection de l’Environnement à Madagascar ».

Fermer