PolitikaSongadim-baovao

ETAZONIA : Mijanona ho Mpiara-miasa stratejika an’i Madagasikara

Nahazo fanasana avy amin’ny Filoha Amerikanina Joe Biden mivady ny Filohan’ny Repoblika malagasy mivady, nandritra ny Fivoriambe faha-77 natao tany New York teo. Fihaonana izay manaporofo indray ny fifandraisana sy ny fiarahamiasa matotra eo amin’ny Firenena malagasy sy Etazonia, araka ny fanazavana.

Manana ny toerany eo anatrehan’izao tontolo izao i Madagasikara. Porofon’izany ny nanasan’ny Filoha Amerikanina Joe Biden, sy ny vadiny, Dr Jill Biden, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina Mivady, tao amin’ny “American Museum of Natural History”, ny 21 Septambra 2022 teo. Fihaonana izay manamafy indray ny fifandraisana matotra eo amin’ny Etazonia sy Madagasikara. Voaresaka nandritra ny fihaonana rahateo ny fanamafisana ny fiarahamiasa eo amin’ny firenena roa tonta. Tsara ho fantatra fa mbola mijanona ho mpiara-miasa stratejika amintsika ny firenena amerikanina hatreto. Nanomboka ny taona 2019, isan’ireo mpiara-miombona antoka voalohany manohana ara-tsakafo sy masomboly ny any Atsimon’ny Nosy ny Governemanta Amerikanina, ary manohana tetikasa maro tanterahina manerana ny Nosy, raha tsy hilaza afatsy ireo tetikasa telo any Atsimo izay hamatsian’izy ireo hatramin’ny 100 tapitrisa dolara. Isan’ireo ny tetikasa Firanga, izay miompana amin’ny fanomezana fanampiana ara-tsakafo olona manodidina ny 222 000 hianjadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo any Atsimo. Eo koa ny tetikasa Maharo, izay misy famatsiambola hatramin’ny 45 tapitrisa dolara hamaliana ny filana ara-tsakafon’ny mponina miisa 279 000 ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, sy Androy. Ary farany ny tetikasa Fiovana, mitentina 45 tapitrisa dolara, izay hiadiana amin’ny tsy fanjariansakafo ho an’olona miisa 428 000 ao amin ‘ny Faritra Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Andrefana.

Matoky ireo Mpiara-miombona antoka

Ny taona 2020, tafakatra 114 tapitrisa dolara ny fanampiana nomen’ny USAID an’i Madagasikara, izay hanohanana ny sehatry ny fahasalamana ny 62 tapitrisa dolara amin’izany. Midika izany fa manana fatokisana amin’i Madagasikara ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombona antoka samihafa iraisampirenena, araka ny fampitambaovao. Ankoatra ny Amerikanina, raha tsiahivina, dia vao tsy ela ihany koa ny Tahirimbola iraisampirenena (FMI) no nankatoa ny famoahana ny vola mitentina 31,9 tapitrisa dolara, ao anatin’ilay fandaharanasa “Facilité Elargie de Crédit”. Teo koa ny fanohanan’ny Banky Iraisampirenena, amin’ny alalan’ny famatsiambola 534,9 tapitrisa dolara, ho fanamafisana ny fanarenana taorian’ny Covid-19, sy ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara.

Tany New York ny Vadin’ny Filoham-pirenena

Niniana naparitaka ny faran’ny herinandro teo fa tsy niara-dalana amin’ny Delegasiona notarihin’ny Filohan’ny Repoblika tany New York ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina. Nisy mihitsy aza Haino aman-jery nanao fanadihadiana manokana momba izany. Voambara, nandritra ny fanadihadiana, fa tsy tazana miara-dalana amin’ny Filohan’ny Repoblika mihitsy ny Vadin’ny Filoha, toa lasa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina indray no mahazo avara-patana. Tsy nisy ve ny fanamarinam-baovao sa niniana natao mihitsy izany hampisavorovoro ny sain’ny mpanara-baovao? Araka ny hita amin’ny sary io tokoa mantsy dia tany New York tanteraka mihitsy ny Vadin’ny Filoha, fa tsy araka ny feo naely hoe lasan’ny Minisitry ny Serasera ny toerany… “Marihana fa misy toerana voatokana koa ipetrahan’ireo vadina filoham-panjakana sy filoham-pirenena rehetra, amin’ny maha-voaasa manokana azy ireo, fa tsy miaraka amin’ny delegasiona”, hoy ny ampahany tamin’ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny Serasera tao amin’ny tambajotran-tserasera.

Fermer