Samihafa

SOLIKA MITAMPOKA Nisy ny tobin-tsolika nakatona, hamafisina ny fitsirihana

Tsy mipetra-potsiny amin’izao fa manamafy ny fitsirihana ny solika miditra sy tonga eny amin’ireo mpaninjara sy amin’ireo tobin-tsolika misy manerana ny Nosy ny eo anivon’ny Minisitera, miaraka amin’ny OMH, taorian’ny fisiana fanapohana solika nataon’olon-dratsy. Efa nisy ny tobin-tsolika nakatona tamin’ity raharaha ity, ary nisy olona naiditra am-ponja taorian’ny fanadihadiana.

Mandeha hatrany amin’izao fotoana ny fanadihadiana mikasika ny raharaha fanapohana solika amin’ny solitany. Efa nisy ireo olona voasambotra sy natao fanadihadiana mikasika ity raharaha ity, ary natao am-ponja vonjimaika, miisa valo izy ireo raha ny fantatra. Nisy koa ny toby mpaninjara solika nakatona tamin’izany. Tsy mitazam-potsiny fa manao ny fandrindrana sy miara-miasa amin’ireo minisitera mpampihatra lalàna ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo, raha ny fanazavan’ny Minisitra, Ramaroson Andry, omaly. Nambaran’ity farany, fa tsy mangina ny minisitera tantaniny fa nandrindra ny fanenjehana rehetra tamin’iny raharaha iny. “Tsy manam-pahaizana momba ny fisamborana olon-dratsy izahay, fa kosa miara-miasa amin’ireo minisitera misahana izany, sy ny fanadihadiana atao amin’ireo olona noahiahiana sy voasambotra, izay tsy natao maresaka be noho ny paikady fanenjehana mbola tanterahina amin’izao fotoana”. Raha ny fepetra noraisin’ny minisitera dia ny fanaraha-maso ireo izay rehetra tafiditra tao anatin’ity fanafangaroana solika sy solitany ity. « Mandeha io fiaraha-miasa amin’ny minisitera hafa io amin’izao fotoana, ary vao tamin’ny faran’ny herinandro teo no nisy olona vaovao voasambotra mikasika iny raharaha iny ».

Tampoka ny fitsirihana atao eny rehetra eny…

Jerena dieny ambony sambo hiditra ao Toamasina ny kalitaon’ireo solika nafarana avy any ivelany. Ampidirina ao anatin’ny tobin-tsolika tokana ao Toamasina izany rehefa hita fa manaraka ny kalitao takian’ny fitsirihana natao. Miainga ao an-toerana kosa ny fitaterana fanaparitahana amin’ireny “logistique petrolière” sy tobin-tsolika mpaninjara ireny, ary manao fitsirihana tampoka amin’izany kosa, ny eo anivon’ny Ofisim-pirenena momba ny solika (OMH). Raha misy amin’ireo tobin-tsolika kosa no tsy manaraka izay takian’ny bokin’andraikitra, dia iharan’ny sazy avy hatrany izy ireny, miaraka amin’ny mpamatsy solika mitondra ny anarana. Na gazoala na lasantsy dia samy niharan’io fanapohana io avokoa, tamin’iny tranga naresaka teo iny, raha tsiahivina. Iaraha-mahalala anefa, fa ny solika fandrehitra eto amintsika dia nolokoina mena, araka ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana, torak’izany koa ny solika fampiasan’ny orinasa Jirama, izay manana ny lokony mampiavaka azy amin’ny fampiasan’olon-tsotra avy amin’ireo « station service ». Rehefa notapohina « pétrole » anefa, ilay solika, dia hita ny loko ka nasian’ireo olon-dratsy « acide sulfirique » izany mba nanalany ny loko mena, saingy io akora simika io no manimba ny motera sy ny kojakoja rehetra lalovan’ny solika anatin’ny fiara, raha ny  fanampim-panazavan’ny Minisitra, hatrany. Naneho hatrany ny fahavononany hiady amin’ity asa ratsy ity ny Minisitra tompon’andraikitra.

Fermer