“Zava-dehibe amiko ny mahita ny antoko Freedom manana hevitra hanampiana ny olona ao anaty fahasahiranana amin’izao fotoana izao.”, hoy Mr Gaston, raim-pianakaviana tonga namaly ny antso tolo-tanana nataon’ny antoko Freedom. Nambaran’ity raim-pianakaviana ity fa tsy vitsy ny olona latsaka anaty fahasahirana lalina amin’izao fotoana izao ka mila fanampiana. Ny vanim-potoana misy ankehitriny rahateo mbola vanim-potoanan’ny ririnina amin’ny ankapobeny. Ho an’i Mr Gaston manokana, akanjo, palitao, akanjom-behivavy sy an’ny ankizy no naterin’ny tety amin’ny foiben’ny antoko. “Zavatra efa nisy tao an-trano ihany ireo fa tsy vao noforonina akory, saingy efa tsy nanaovana sy tsy nampiasaina intsony dia natolotra ho an’ny mpiray tanindrazana”, hoy izy nanazava. Tamin’ny ankapobeny, tsy vitsy ireo namaly ny antson’ny antoko Freedom. Ity farany izay efa mpanao hetsika tolo-tanana tahaka izao hatrany isan-taona. Hetsika izay natao ho fanangonana akanjo mafana sy lamba firakotra ho zaraina amin’ireo olona tena marefo amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina toy izao. Anio no hifarana ny fandraisana ny fanomezana, hatramin’ny fahataperan’ny ora fiasana. Teny filamatry ny antoko amin’izao hetsika izao ny hoe “Tsy misy manana ny ampy, fa sambatra izay mifanampy”.




