PolitikaSongadim-baovaoSosialy
KOLIKOLY ARA-PANANAHANA: Sarotra ny fanenjehana ireo tompon’antoka noho ny fahanginan’ireo mpianatra lasibatra
Tranga efa nisy an-taonany maro teto amintsika, indrindra teo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony, ny Kolikoly ara-pananahana. Mpianatra maro no efa lasibatra, saingy tsy misy mahasahy mitoroka noho ny tahotra ireo tomponandraikitra izay manao izany fomba fanao izany. Mampanano sarotra ny fanenjehana ireo tompon’antoka io fahanginan’ny lasibatra io, araka ny fanadihadiana.

Ny 65%-n’ireo mpandray anjara tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny Faritra telo teto Madagasikara no mahalala tsara ny fisiana kolikoly ara-pananahana eny amin’ireo sekoly sy oniversite, araka ny fanadihadiana notarihin’ny ONG Tolotsoa. Noho ny tahotr’ireo niharan’ny herisetra, indrindra manoloana ireo manam-pahefana izay isan’ireo tompon’antoka dia mirongatra ity tranga ity, ary manimba tanteraka ny zo fototry ny mpianatra mandritra ny fianarany, araka ny fanazavana hatrany. Sarotra, araka izany, ny fahafantarana ireo mpanao ny herisetra manoloana ny fahanginan’ireo lasibatra. Isan’ny manimba ny zo fototry ny mpianatra ny firongatry ny kolikoly toy izao eo amin’ny sehatry ny fampianarana, raha ny fanazavana, izay heverina ho toy ny fanitsakitsahana ny lalàna manan-kery eto Madagasikara, toy ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’ny ankizy, ny fanafoanana ny fanavakavahana atao amin’ny vehivavy.
Atrikasa nifampidinihana
Herintaona lasa izay no nanao ny fanairana tamin’ny famoahana ny valin’ny fanadihadiana manameloka ny tranga mikasika ny kolikoly ara-pananahana ny teo anivon’ny ONG Tolotsoa. Nisy ireo fanadihadiana natao sy ny fandraisana anjara amin’ny fanairana ny olona mikasika ny maha zava-dehibe ny ady atao amin’izany tranga izany. Herintaona taty aoriana kosa, tsy mbola nisy ny fepetra izay noraisin’ny tompon’andraikitra mba hisorohana sy hiarovana ireo mpianatra manoloana ny tranga toy izao, ary mbola tsy nisy koa ny fanenjehana ireo tompon’antoka, araka ny fampahafantarana. Manolona izany dia nisy ny atrikasa izay niarahana tamin’ireo fikambanan’ny vehivavy sy tanora amin’ny fampiharana ny zon’olombelona sy ny ady manohitra ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hitadiavana vahaolana sy fepetra fisorohana ny tranga fanararaotana ara-nofo mba hiarovana ireo mpianatra. Hanamafy ny fiarahamiasa amin’ny tompon’andraikitra amin’ny fanajana ny zo fototra amin’ny alalan’ny fisorohana ny kolikoly eto Madagasikara, ny vokatr’izany atrikasa fifampidinihana izany. Hetsika izay nokarakarain’ny ONG Tolotsoa, niarahana niasa tamin’ny « Tranparency International-Initiative Madagascar » (TI-MG) sy ny “Organisation Internationale de la Francophonie” (OIF) ary ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara.
Johannah (Mpianatra asa) sy LR.




