SamihafaSongadim-baovaoSosialy
BAKALOREA 2020: Tsy hisy ny adina ara-panatanjahantena
Mbola anisany fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana ny fampiatoana ireo karazana lalao ara-panatanjahantena samihafa manerana an’i Madagasikara. Ho fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra sy ho fisorohana ny mety ho fifindran’ny Covid-19 no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Lalan-tsaina mitovy amin’izany koa no antony nanafoanana ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny Bakalorea amin’ity taona ity.
“… mba hanarahana an-tsakany sy an-davany ireo fepetra ara-pahasalamana mikasika ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny Covid-19, ny filan-kevitry ny Governemanta izay nivory tamin’ny 26 aogositra 2020 dia nanapaka fa hofoanana ny taranja “fanatanjahan-tena” atrehina sy ara-drinjan-kevitra ho an’ny Bakalorea 2020 manokana ihany, araky ny didim-panjakana laharana 17852/2020-MESRS natao tamin’ny 27 aogositra 2020”, io no fanambarana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa afak’omaly.
Araka ny fanazavan’ny minisitra Pr Assoumacou Elia Béatrice, tsapa fa tsy ampy fanomanana hanatanteraka ny taranja “fanatanjahantena” ny mpiadina, izany dia mety hiteraka fahasembanana ara-batana mandritra ny fanadinana. Ny taranja iraisana rahateo anisany antony mahatonga ny fihanaky ny Covid-19. Nanamafy ny minisitera fa mety hiteraka fikorontanana goavana eo amin’ny fandaminana ny fanadinana Bakalorea ny fifanitsahan’ny taranja atrika sy ny taranja an-tsoratra.

Nahemotra ny datin’ny Bakalorea
Ankoatra ny fanafoanana ny adina ara-pahatanjahantena, isany fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ny fanemorana ny datin’ny fanadinana Bakalorea. Araka ny fampitam-baovao, ny alatsinainy 19 oktobra 2020 manomboka amin’ny 07 ora maraina ka hatramin’ny zoma 23 oktobra 2020, no hatao ny bakalorea ankapobeny. Ho an’ny Bakalorea teknolojika sy Teknika ary Arakasa, ny alatsinainy 19 oktobra manomboka amin’ny 07 ora maraina ka hatramin’ny zoma 23 oktobra no hatao ny tapany voalohany. Ny alatsinainy 26 oktobra amin’ny 07 ora maraina ka hatramin’ny alakamisy 29 oktobra kosa no ho tanterahina ny tapany faharoa. Nanazava ny minisitra Pr Assoumacou Elia Béatrice, fa antony nandraisana izao fanapahan-kevitra izao ny mba hahafahan’ny mpiadina hanana fotoana malalaka hanomanana sy hifehezana ny fahalalana. “Izany koa no natao mba hanamafisana izay efa hay ary indrindra mba hanampiana azy ireo hahavita ny tsara indrindra raha hiatrika ny fanadinana amin’ity taona ity”, hoy ny fanazavana. Ambonin’izany anefa, hoy ny minisitra, tsy maintsy arahina ny fanajana ny elanelana iray metatra isaky ny mpianatra sy ny fitsipika ara-pahasalamana mifanaraka amin’izany. Fotoana izay nilazany fa nitombo be ny isan’ny efitrano fanadinana amin’ity taona ity. Tsy maintsy homanina sy fendrahana fanafody mialoha ireo efitrano ireo.




