Songadim-baovaoSosialy

DRAFITRA FAMPIASANA TANY AO MORONDAVA : Hanatsara ny fiveloman’ny mponina miisa 11 000

Sady hanamafy ny fiarovana ny tontolo iainana any amin’ny Faritra Menabe, no hanatsara ny fiveloman’ny mponina ny drafitra fampiasana tany, izay natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy teo, tany Morondava. Mponina miisa 11 000 no hisitraka izany, araka ny tatitra.

Tato anatin’ny folo taona dia tsy nitsaha-mitombo ny isan’ireo vondrom-piarahamonina avy any Atsimon’ny Nosy nitsoa-ponenana vokatry ny haintany sy nifindra monina manodidina ny faritra arovana. Tao anatin’izany dia tsy misy drafitra mazava momba ireo toerana honenan’ireo mpifindra monina, na ny hahafahan’izy ireo mivelona sy mamboly, hany ka miteraka olana. Matetika aza ireo mpifindra monina no lasa any amin’ny faritra arovana. Izay indrindra no anisany maha zava-dehibe ny fananana drafitra fampiasana tany mazava hahafahana mandrindra ireo. Drafitra izay mamaritra ny sisin-tany ofisialin’ny faritra arovana, ary mamaritra ny hetsika azon’ny vondrom-piarahamonina atao mba hahazoana antoka fa mampiasa ny harena voajanahary amin’ny taniny amin’ny fomba maharitra izy ireo mba hampitomboana ny tombontsoa ara-toekarena azony.

Ho an’ny ao amin’ny Faritra Menabe manokana, dia misy ny faritra arovana ao Menabe Antimena, izay fonenan’ireo karazam-biby tsy manam-paharoa sy eto Madagasikara ihany no ahitana azy, anisan’izany ny gidron’i Madame Berthe – izay karazan-gidro kely indrindra eto an-tany. Na dia eo aza ny fahasamihafan’ny zavamananaina tsy manam-paharoa ao amin’ilay faritra, dia maro ny olana sedrainy, ary anisan’izany ny fandripahana ala noho ny fambolena katsaka tsy ara-dalàna sy ny fanapahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy izay manimba ny fiarahamonina eo an-toerana izay mivelona amin’ny ala. Amin’ny alalan’ireo drafitra fampiasana tany vaovao ireo, dia maro amin’ireo mpifindra monina sy ireo vondrom-piarahamonina efa teo hatrizay no hanana safidy ara-dalàna hahafahan’izy ireo mamelona ny fianakaviany.

Fampandrosoana ara-toekarena

Nandritra ny lanonana natao afak’omaly teo amin’ny Lalamben’ny Baobab izay fanta-daza any Morondava, ny Ambasadaoro amerikanina Claire A. Pierangelo dia nanatevin-daharana ny solontenan’ireo Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany, ny Tontolo Iainana ary ny Fampandrosoana Lovainjafy, ary koa ireo mpiara-miombona antoka hafa, tamin’ny fanolorana drafitra fampiasana tany ho an’ny kaominina miisa valo ao amin’ny Distrikan’ny Morondava. Mponina miisa 11.000 izay monina manodidina ny faritra arovana no hisitraka izany, araka ny tatitra. Ireo drafitra natolotra ireo, izay notohanan’ny governemanta amerikana, dia saritany mandrafitra ny fampiasana sy ny fitantanana ny tany manodidina ny faritra arovana ao Menabe Antimena sy Kirindy Mitea, ka mikasa ny hisorohana ny faharavan’ny ala arovana, sady mandrisika ny fampandrosoana ara-toekarena eo anivon’ny faritra.

Nandray anjara tamin’ny famolavolana ireo saritany ireo ny vondrom-piarahamonina manodidina ny faritra arovana sy Kirindy Mitea. Ny tetikasa Hay Tao sy Mikajy tohanan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) dia nanohana ara-bola sy ara-teknika tamin’ny fanofanana ireo mpandray anjara amin’ny famolavolana ireo sarintany manan-danja ireo, ka ho antoky ny fampandrosoana ara-toekarena lovainjafy sy ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zavamanaina eo an-toerana.

“Ireo drafitra ireo dia natao ho fanampiana ny mponin’i Menabe hivoatra ara-toekarena sady hiaro ihany koa ity tontolo tsy manam-paharoa sy tsy fahita firy ity ho an’ny taranaka sy ny vahoakan’i Madagasikara ary izao tontolo izao”, hoy ny Ambasadaoro Pierangelo. « Amin’ny alàlan’ny famaritana mazava tsara ny sisin-tany eo anelanelan’ny tanàna sy ny faritra arovana, dia afaka mampiasa tsara ny tany voafetra misy ny vondrom-piarahamonina. »

Fermer