Songadim-baovao
EPP AMBOHIMARINA : Nisitraka fitaovam-pianarana ireo mpianatra rehetra
Tonga nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP Ambohimarina, anatin’ny Kaominina Ambohimanga Rova, ao anatin’ny Cisco Avaradrano omaly, ny avy amin’ny Ismaili Civic, izay tarihin’ny filohan’ny filankevitra nasionaly eto Madagasikara, Pinou Cheraly. Nisy ny fanohanana ity EPP ity nataon’ny Seg teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard sy ny Ben’ny Tanànan’Ambohimanga Rova…

Tonga nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP Ambohimarina, anatin’ny Kaominina Ambohimanga Rova, ao anatin’ny Cisco Avaradrano, ny avy amin’ny Ismaili Civic, izay tarihin’ny filohan’ny filankevitra nasionaly eto Madagasikara, Pinou Cheraly. Nambaran’i Pinou Cheraly fa ny 25 septambra lasa teo, dia nankalaza ny Andro eran-tany ho an’ny Ismaili civic. Efa nisy EPP 20 isa teo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, mahatratra 2500 no nahazo fitaovam-pianarana tahaka izao. Tsy nohadinoinay ny avy eto amin’ny EPP Ambohimarina, anatin’ny kaominina Ambohimanga Rova. Tsy nohadinoin’ny Seg teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard ny nanolotra teny fisaorana ho an’ny Ismaili Civic, tamin’ny fanampiana ireo mpianatra EPP Ambohimarina. Notsiahiviny fa toerana nahalehibe azy izao nanaovana tolo-tanana izao. “Tena anjelin’Andriamanitra ianareo tonga manatontosa ny fanampiana tahaka izao”, hoy izy. Tsy ireo mpianatra eo anivon’ny EPP Ambohimarina ihany no nisitraka fitaovam-pianarana, fa teo koa ireo mpianatra nahay indrindra notsongaina, tamin’ny sekoly manodidina teny an-toerana. Tsy nataon’ny Seg teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard nandalo fotsiny ny fotoana omaly, fa nisy ny fanampiana mitentina 1 tapitrisa Ar avy amin’izy mivady, ho fanampiana ny EPP Ambohimarina.

Nanantitra ny teny fisaorana koa ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambohimanga Rova, Rakotonindrina tamin’izao fanampiana nataon’ny Ismaili Civic ny EPP Ambohimarina izao. Noho ny fahitan’ny ben’ny Tanàna fa efa simba ny varavaran’ny EPP Ambohimarina, dia nanolotra vola mitentina 2 tapitrisa Ar ny tenany, hanamboarana izany. Mbola nangataka ny tenany, ny hijeren’ny Ismaili Civic ireo EPP miisa 15 ao anatin’ny Kaominina Ambohimanga Rova. Miisa EPP enina ny eo anivon’ity Zap Ambohimanga ity. Mahatratra 1200 ny isan’ireo mpianatra ao. Raha ho an’ny Cisco Avaradrano, dia isan’ireo Cisco mitana ny laharana voalohany, tamin’ny taham-pahombiazana tamin’ny voka-panadinana CEPE manerana an’i Madagasikara. Ho an’ny BEPC indray, eo anivon’ny Faritra Analamanga, mitana ny laharana fahatelo ny eo anivon’ny Cisco Avaradrano. Matoa misy ny vokatra tahaka izao, dia noho ny ezaky ny mpampianatra sy ny filofosan’ireo mpianatra.




