Songadim-baovaoToekarena

TOMBAN’EZAKY NY BANKY IRAISAMPIRENENA : Nahazoan’i Madagasikara naoty tsara ny fitantanana ara-toekarena

Voatazon’i Madagasikara ny salanisa azony tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitry ny tomban’ezaka mahakasika ny politikan’ireo firenena 39 voafantina hahazo fanampiana avy amin’ny Association Internationale de Développement (IDA) ny Banky Iraisam-pirenena. Raha ny hita anatin’ny tatitra mantsy dia 3,3/6 ny naoty azon’i Madagasikara, raha 3,1 ny salanisa ankapobeny. 3,2 kosa ny an’ireo firenena Afrikana tandrefana sy afovoany. Ary 3,0 ny salanisa ankapoben’ireo aty amin’ny faritra atsimo sy atsinanan’i Afrika, araka ny fanazavana. Ny tatitra ihany no nahitana fa ny fitantanana ara-toekarena no tena nahazoan’i Madagasikara ny naoty tsara indrindra 3,7/6. Tafiditra ao anatin’izany ny politikan’ny fifanankalozana ara-bola (4,0), ny fitantanana ny tetibola (3,0), ary ny fitantanana ny trosa (4,0).
Araka ny fanazavana azo avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, dia manamafy hatrany ny ezaky ny Fitondram-panjakana hiroso amin’ny fampandrosoana maharitra izao vokatra izao, indrindra amin’izao ankatoky ny Fihaonam-be isan-taonan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena izao izay tontosaina any Washington manomboka anio 10 ka hatramin’ny 16 Oktobra ho avy zao. Mandray anjara feno amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny delegasiona izay tarihin’ny Minisitra Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Fanarenana ny toekarena

Raha tsiahivina, anisan’ny voaresaka tao anatin’ny fanambarana niombonan’ny Firenena Afrikanina rehetra nandray anjara tamin’ny fihaonambe faha-20 ny IDA ny 15 Jolay 2021 ny fijerena ireo sehatra tokony hifotoran’ny asan’ireo Mpitondra aty Afrika, ka nivoitra tamin’izany ny fanomezan-danja ny lafiny maha olona, ny famoronana asa amin’ny alalan’ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, ary ny fanarenana ny toekarena.

Niray feo ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana rehetra aty Afrika ny tokony hampiakarana ny fanampiana ho azon’I Afrika eo anivon’ny IDA ho 100 miliara Dolara mba ho fiarenan-doha taorian’ny Krizin’ny Covid-19. Tetsy ankilany, niombonan’ny rehetra hevitra koa ny tokony hampiroboroboana ny famoronana asa amin’ny fanosehana ny sehatra tsy miankina sy ireo mpisehatra tsy azo ialàna amin’ny fanodinana ny toekarena. “Izany fampivelarana ny sehatra tsy miankina izany dia mitaky ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny”, hoy ny fanambarana. Ankoatra ireo anefa, isan’ny voaresaka koa ny fanarenana ny toekarena. “Ny firenena Afrikanina dia mila tetibola mifanaraka amin’izany zava-misy ao aminy mba hiatrehana ny krizy sy hanarenana indray ny toekarena, izay tsy tokony hampibaby trosa tafahoatra indray”, araka ny tatitra hatrany, tamin’ny fihaonambe faha-20 tamin’ny taon-dasa.

Fermer