PolitikaSongadim-baovao
FANIMBANA TONTOLO IAINANA: Iniana atao ny ankamaroan’ireo doro ala sy doro tanety
Ankoatra ireo asa maika atao amin’ny famonoana afo, dia efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ireo trangana doro ala sy doro tanety miseho lany tato anatin’ny herinandro vitsy izay. Sarotra tokoa ny hino fa kisendrasendra ny fisian’ireny firehetana nisesisesy ireny. Nanamarina izany ny ampahan’ny vokatry ny fanadihadiana efa hita hatreto, izay maneho fa niniana natao ny ankamaroan’ireo fahamaizana miseho ankehitriny.
Ny alahady tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany atoandro dia nisy Doro ala tao Manatantely kaominina Soanierana any Taolagnaro. Nifanome tanana ireo herivelona rehetra tao an-toerana tamin’ny famonoana ny afo ka efa voafehy izany. Araka ny fantatra dia tratra ny iray tamin’ireo olona nandoro an’i Manatantely ary misy ireo namany mbola karohina. Miara-miasa akaiky amin’ny Fokonolona ihany koa ny Cellule de Crise sy ny Governoram-paritra.
Ohatra iray ihany iny tranga tao Manatantely iny, fa araka ny loharanom-baovao akaiky ny fanadihadiana momba ireo trangana doro tanety miseho lany ankehitriny ireo, dia saika ny ankamaroan’ireo firehetana misesisesy tato ho atao no niniana natao avokoa. Tsy mbola voafaritra mazava hatreto ny tanjon’izay manao izany. Tsy mbola fantatra ihany koa ny mampaniraka azy ireo, na ny mahazo tombontsoa amin’izany. Ny zavatra iarahan’ny rehetra mahita kosa dia faharavan’ny tontolo iainana izay tsy ho voaarina ao anatin’ny fotoana fohy.
Araka ny tsikaritry ny mpanara-baovao, dia saika ireo toerana arovana hatrany no lasibatr’ireo mpanao ratsy. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy, efa saika misy ireo aro afo avokoa ireny toerana voaaro ireny. Mahagaga anefa fa mbola ahitana firehetana hatrany any amin’ireo toerana ireo. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ahitana ny tena marina.
Vaovao diso
Etsy ankilany, “ny valala misy ny mpilaza mahay”, hoy ny fitenenana. Ankoatra ny trangana firehetana izay efa tsy tako-nafenina intsony ankehitriny manerana ny toerana maro, manampy trotraka ny fikorontanan’ny saim-bahoaka ihany koa ny vaovao diso izay miely, indrindra eny amin’ireo tambajotran-serasera toy ny Facebook. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny famoahana sary tsy mifanaraka akory amin’izay tena zava-misy any amin’ireo trangana firehetana. Matetika izy ireny sary tamin’ny tranga tany ivelany, dia ampifandraisin’ny mpikirakira tambajotran-tserasera sasany amin’ny zava-misy eto Madagasikara, hany ka lasa mandiso ilay vaovao.
Ankoatra izay, mampiteraka adihevitra hatrany koa ny tarehimarika mahakasika ireo trangana afo manerana ny Nosy. Araka ny fanazavana, dia diso indraindray ny andraisan’ny olona ny sary avoakan’ny zana-bolana izay maneho ny trangana afo misy manerana ny Nosy. Araka ny fanampim-panazavana voaray, dia izay trangana afo rehetra, tsy voatery ho doro ala na doro tanety, no avoakan’ny sary amin’ny zana-bolana. Izay indrindra no mahatonga ny tarehimarika avoakan’ny zana-bolana sy ny Minisiteran’ny Tontolo iainana, ho misy fahasamihafany.



