Songadim-baovaoToekarena
FANAMBOARANA AO ANDEKALEKA: Tsy hisy « black out Total » izany
Tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hisian’ny fahatapahana herinaratra ao anatin’ny fametrahana ilay vondrona mpihary herinaratra fahefatra ao Andekaleka, hoy ny teo anivon’ny Jirama, mandritra ny efatra andro. Tsy ho fahatapahana tanteraka kosa anefa izany, na ilay antsoina hoe “Black Out”, fa ho fahatapahana mifandimby.
Betsaka no nihevitra taorian’ilay fampahafantarana nataon’ny Jirama fa ho fahatapahan-jiro tanteraka mitohy mandritra ny efatra andro no hiseho manomboka rahampitso zoma, ao anatin’ilay asa fametrahana ny vondrona mpihary herinaratra fahefatra ao Andekaleka. Omaly, nitondra fanampim-panazavana ny teo anivon’ny Orinasa Jirama, fa “Tsy hisy izany Black Out Total Izany !”, na ny fahatapahan-jiro tanteraka. Nanamafy izy ireo fa efa niainantsika nandritra ny volana janoary 2022 teo iray manontolo izany Andekaleka tsy nandeha izany. 0 KWh no vokatra tany tamin’izany kanefa tsy nisy izany “black out total” izany. Fahatapahan-jiro mifanesy mandritra ny andro vitsivitsy no tsy maintsy hisy satria tsy ho ampy 90 Mw ny herinaratra hovokarin’ny jirama, hoy hatrany ny fanazavana.
“Tsy maintsy hatsahatra ny toby ao Andekaleka satria tsy maintsy ritina ny Rano sns, ampidirana an-tsehatra ilay groupe vaovao fahefatra, izay hanampy 32 MW ny famokarana. 24ora no manala ny Rano ary torak’izany koa ny mampiditra. Miampy ilay asa fametrahana ny “Générateur”. Fara-fahakeliny 4 andro izany rehetra izany fa ezahana mba ho fohy indrindra”, hoy ny fanazavana.
Hampiakatra ho 120 MW ny famokarana
Raha tsiahivina, milina fahefatra apetaka ao an-toerana ity, hampiakatra ho 120 MW ny famokarana miainga ao an-toerana, raha 91 MW izany teo aloha. Hanomboka ny zoma 14 oktobra amin’ny 09 ora alina ka hatramin’ny talata 18 oktobra amin’ny 05 ora maraina no faharetan’ny fahatapahan’ny famatsiana herinaratra miainga ao an-toerana, raha ny fanazavana. Hisy ny fampifandimbiasana ny fahatapahan-jiro mba tsy hampavesatra io fiaton’ny famokarana io, raha ny fantatra. Ankoatra izany, hihamafy koa ny fahatapahana mihoatra ny misy isan’andro, izay hihena ho 89 MW ny famokarana hotsinjaraina amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina mandritra izany. Raha tsiahivina, vokatry ny fahamaizana ny volana janoary ka hatramin’ny volana jona nahitana mangirana ny fiverenan’ny famokarana ao Andekaleka, taorian’ny fanarenana io no antom-pisian’ny fahatapahan’ny herinaratra voarindra. Ny milina fahatelo no efa mandeha nanomboka ny jona 2022 io, raha izao hiditra amin’ny fametrahana ny milina fahefatra izao ireo teknisianin’ny Jirama. Nambaran’ny Tale jeneraly lefitry ny herinaratra, Randrianarisoa Désiré Marcel, anefa, fa tsy maintsy ho ritra tanteraka ny renirano manosika ireo milina telo ireo. « Anton’io andro efatra hiatoan’ny famokarana io dia ny fandritrana ny rano hametrahana ny « vane » lehibe eo amin’ny vondrom-pihariana fahefatra io. Haharitra 22 ora ny fandritana ny rano rehetra miala any amin’ny barazy mandra-pahatonga any amin’ny foibe. Mandritra ny 40 ora kosa ny fametrahana ireo fitaovana rehetra. Tsy hiverenana amin’izay fahatapatapahan’ny herinaratra izay anefa, no nampitombo kely ny ora fiasana mandritra izany”. Hisy koa fandrindrana filaminana mandritra ireo fahatapahan’ny herinaratra, raha ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity.




