Songadim-baovaoToekarena

FANAMBOARANA AO ANDEKALEKA: 70%-n’ny asa no vita hatramin’ny omaly

Raha oharina tamin’ny tetiandro napetraka tany am-piandohana, lasa aloha ny fizotry ny asa fametrahana ilay toby mpihary herinaratra na “Groupe” fahefatra ao Andekaleka, raha ny fanazavana avy amin’ny Jirama. Ny 70%-n’ny asa ankapobeny no efa tontosa hatramin’ny omaly, araka ny tatitra.

Omaly hariva tokony ho tamin’ny 6ora sy 20 minitra, nanambara ny Tale Jeneralin’ny Jirama, Rivo Radanielina, fa vita ny fametrahana ny “Vanne sphérique” ho an’ilay Toby mpihary herinaratra na “Groupe” fahefatra ao Andekaleka. Izany hoe, vita soa aman-tsara ny asa izay natao tao amin’ny “Centrale”. Marihina fa mizara roa ny asa fametrahana ny “Groupe” fahefatra. Misy ny ao ambany, izany hoe ny ao amin’ny “centrale”, izay hanaovana ireo kirakira teknika marolafy toy ny “Vanne sphérique”, ny étanchéité, sy manao ny fanandramana rehetra. Etsy ankilany, misy ireo asa atao amin’ny lafiny ara-elektrika izay atao ao ambony.

Eo anatrehan’ny fahavitan’ny fametrahana ilay “Vanne sphérique”, dia natomboka ny famerenana ny rano hamenoana ireo fantsona, izay tombanana ho vita hatramin’ny anio maraina. Nanambara, araka izany, ny Tale Jeneralin’ny Jirama fa azo atao ny mamerina ny “groupe” voalohany sy faharoa, ao anatin’ny tambajotra iraisan’Anananarivo, aorian’izay. Izany hoe, hihena ny fahatapahan-jiro, na mety tsy hisy mihitsy aza, anio maraina. Farafahabetsany, 30% ny delestazy ho an’ny anio maraina, fa tsy araka ny novinavinaina, hoy izy. “Nanatsara sady nanafaingana ny asa ireo teknisianina, satria lasa aloha ny fandrosoan’ny asa raha noharina tamin’ny tetiandro tany am-piandohana amin’ny fametrahana ny groupe fahefatra”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Jirama.

Asa fikojakojana hafa

Mandritra ny fotoana izay anatanterahana ny fametrahana ny « groupe » faha-4 dia miroso amin’ny fikojakojana ny milina sy ny fantsona ao Andekaleka ihany koa ny teknisiana. Fotoana fanararaotana ny toy izao satria miato avokoa ireo « groupes » famokarana herinaratra any an-toerana, araka ny tatitra. Nisy ny fanamboarana ny « circuit » sy ny « fuite » nisy teo amin’ny « turbine » an’ilay groupe faha-3. Nosoloina ilay « joint d’étanchéité » eo amin’ny « conduite aérienne » Sahantsiva, izany hoe ilay fantsona mitondra ny rano avy amin’ny toho-drano mankany amin’ny « centrale ».

Fermer