PolitikaSongadim-baovao

FIVORIANA ARA-POTOANA MANOMBOKA ANIO : Hodinihina ireo raharaha mafana mahakasika Solombavambahoaka

Manomboka amin’ity anio ity ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena, araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-75. Ankoatra ny fandaniana ny Volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023 (LFI), isan’ny andrasan’ny maro ihany koa ny handinihan’ny Antenimieram-pirenena ireo Solombavambahoaka voalaza fa nahabe resaka tato ho ato.

Anisany ho tafiditra anatin’ny lahadinika mandritra izao fotoam-pivoriana hatrehin’ireo Solombavambahoaka miditra anio izao ny raharaha mafana nipoitra maha voasaringotra Depiote vitsivitsy, raha ny nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Notsiahiviny, fa tokony hipetraka ho modely amin’ny fanarahan-dalàna hatrany ireo Solombavambahoaka, ary ny Antenimierampirenena koa dia manaraka akaiky ny asa sy ny fitondrantenan’izy ireo na tsy fotoam-pivoriana, aza, ka tsy maintsy hodinihina mandritra ny fivorian’ny Birao maharitra sy ireo Filoham-baomiera izany, raha ny fanampim-panazavana. « Tsy vitsy ireo dinikasa handraisana fanapahan-kevitra eo ambony latabatra mandritra ny fivorian’ny birao maharitra sy ny lahadiniky ny Filoham-baomiera hotanterahina. An-kilan’izany anefa, olom-boafidy tokony ho modely izy ireo, saingy tsy misy ny tapitr’ohatra amin’ny fahendrena eto amin’ny firenena, fa izay tsy mety azo harenina, satria olon-dehibe manana ny andraikiny avy izy ireo, ary samy efa tokony hahatsapa tena ». Ankoatra izay, nambarany fa efa samy manao ny tombana mikasika ny fomba fiasan’ireo Mambran’ny governemanta ireo Solombavambahoaka amin’izao fotoana, araka ny zo ananany voalazan’ny Lalàmpanorenana. Ny Filoham-pirenena irery ihany anefa, no manan-jo hanao ny fanoloana azy ireo, fa ny fanaovana tatitra sy ny fampanenoana lakolosy no anjara andraikitry ny Depiote, aorian’ny tombana ataony. Misy koa ny vaomiera maharitra misahana ny fandrefesana sy fanombanana ny asan’ny governemanta eo anivon’ny Antenimierampirenena, raha tsiahivina.

Etsy ankilany, araka ny voafaritra ao amin’ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra, dia natokana handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ity fivoriana ara-potoana faharoa ity, izay haharitra 60 andro. Fa ankoatra izay, hisy koa ireo volavolan-dalàna samihafa sy tolo-dalàna avy amin’ireo Solombavambahoaka izay tsy maintsy handraisana fanapahankevitra.

Fermer