PolitikaSongadim-baovao
LATSABATO TANY AMIN’NY FIRENENA MIKAMBANA: Nesorina ny Minisitry ny Raharaham-bahiny
Noraisin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina omaly 18 Oktobra 2022 ny Didim-panjakana nanaisotra tamin’ny toerany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Andriamatoa Richard Randriamandranto. Fanapahan-kevitra izay nifandraika tamin’ny latsa-bato nataon’i Madagasikara tany amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ny herinandro lasa teo, izay voalaza fa tsy nifampierana tamin’ny Filohan’ny Repoblika.
Taorian’ny resabe mahakasika ny Minisitry ny Raharaham-bahiny izay voalaza fa nandray fanapahan-kevitra samirery tamin’ny latsabato tany amin’ny Firenena Mikambana ny herinandro lasa teo, nilatsaka omaly ny fanapahan-kevitra avy amin’ny Filohan’ny Repoblika izay nanaisotra tamin’ny toerany ny Lehiben’ny Diplaomasia malagasy, Andriamatoa Richard Randriamandranto. “Noraisin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina androany 18 oktobra 2022 ny didim-panjakana laharana faha 2022-1468 manitsy sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakana laharana faha 2021-822 tamin’ny 15 aogositra 2021 nanitsy sy nameno ny didim-panjakana laharana faha 2022-400 tamin’ny 16 martsa 2022 nanendry ny Minisitra ny raharaham-bahiny. Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena kosa no hisolo toerana vonjimaika azy (interim)”, hoy fampitam-baovaon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Araka izany, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Richard Rakotonirina, no hisahana vonjimaika ny andraikitry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny.
Fanapahan-kevitra samirery
Raha hiverenana ny zava-nitranga, nandritra ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana ny alarobia heriny teo, nifidy ny “Eny” i Madagasikara momba ny tsy fahazoana maka ny tanin’i Okraina, araka ny foto-kevitry ny Satan’ny Firenena Mikambana ary manameloka fanakambanana an’i Rosia amin’ny ampahany amin’ny faritanin’i Okraina. Niparitaka anefa ny vaovao nanomboka ny sabotsy hariva teo, izay mbola notohizan’ireo Gazety mpiseho isan’andro maromaro teto an-drenivohitra, fa fanapahan-kevitra samirery noraisin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Richard Randriamandranto, iny niseho iny.
Araka ny loharanom-baovao, dia tsy ny nifidianana ny “Eny” no tena olana, fa ny fihetsika nataon’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny amin’ny fanitsakitsahana ny fitsipika fototra amin’ny fanajana ny an-tanan-tohatra eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Manana ny lehibeny izy, ka azo adika ho fitondran-tena tsy mendrika ny tsy fisian’ny fifampiresahana mialohan’ny fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny sehatra maha matihanina. Tsiahivina fa nijanona ho tsy miandany hatrany i Madagasikara teo anatrehan’ny ady misy eo amin’i Rosia sy Okraina, hatrany am-boalohany. Fanapahan-kevitra izay mifanaraka amin’ny toerana efa noraisin’i Madagasikara hatramin’ny andron’ny Filoha Didier Ratsiraka izany, araka ny fantatra. Nanapa-kevitra ny tsy hiresaka mialoha tamin’ny Praiminisitra sy ny Filohan’ny Repoblika anefa ny Minisitra tomponandraikitra, mialohan’ny hanomezana ny toromarika momba ny latsa-bato ho an’ireo solontena ao amin’ny Firenena Mikambana.
Tsara ho fantatra fa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny dia tsy maintsy maka ny hevitry ny Filohan’ny Repoblika mialohan’ny andraisana fanapahankevitra. Isan’izany ny latsa-bato eo anivon’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana, izay maha voasaringotra ny Governemanta sy ny Firenena iray manontolo mihitsy. Tsy nahagaga loatra ny mpanara-baovao, araka izany, ity fanapahan-kevitra nilatsaka ity, izay nanaisotra ny Minisitra amin’ny toerany.



