PolitikaSongadim-baovao

FITOKONAN’NY MPIRAKI-DRAHARAHA : « Lasa atao takalon’aina ny vahoaka », hoy ny Minisitry ny Fitsarana

Olona maro no mila raharaha eny amin’ny Fitsarana kanefa dia lasa takalon’aina vokatry ny fitokonana lavareny ataon’ny Mpiraki-draharaha, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François omaly, raha nitondra fanazavana misimisy kokoa momba ity raharaha ity. Ekena fa zo fototra ananan’ny mpiasa tsirairay ny manao grevy, hoy izy, fa misy fepetra izany, dia ny fanaovana « service minimum ».

Tsy mbola nahitam-bahaolana hatreto ny fitokonan’ireo mpiraki-draharaha eny anivon’ny Fitsarana mahakasika ireo teboka vitsivitsy hanaovan’izy ireo fitakiana. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka « autorisation de poursuite », izany hoe tokony hisy fahazoan-dalana ny fanenjehana ireo mpiraki-draharaha rehefa misy trangana fandikan-dalàna nataon’izy ireo, fa tsy tonga dia henjehina avy hatrany. Eo koa ny fahazoana ny fitaleavana misahana ny maha olona, ny resaka « versement », izay tsy mbola mampitovy hevitra ireo samy mpiraki-draharaha akory, ary ny mahakasika ny Sata (statut) mifehy azy ireo.

Araka fanambaran’ny Minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, omaly, dia efa tsy latsaky ny enina izay ny fihaonana teo amin’ny Minisitera sy ireo Sendika. Efa nisy fijerena ny vahaolana tao anatin’izany. Efa nambara fa misy ireo fitakiana izay tsy miankina amin’ny Minisitera fa mahakasika fanovana lalàna, izay ny Andrimpanjakana mpanao lalàna no miandraikitra azy. Etsy ankilany anefa, vahaolana eo no ho eo no takin’ireo Mpiraki-draharaha mitokona.

Teo anatrehan’izany, hentitra ny Minisitra omaly raha nilaza fa tsy ara-dalàna ny fanaovana fitokonana tsy misy fiafarany na “Grève illimitée”. Tokony hisy hatrany, hoy izy, ny fanaovana “service minimum”, na ireo asa tsy maintsy atao mba tsy hampihitsoka ny raharaha eny amin’ny Fitsarana. “Tahaka ny atao takalon’aina ny vahoaka amin’ny fitokonan’ny Mpiraki-draharaha. Olona maro no mila casier judiciaire, misy ireo olona voafonja tokony hivoaka kanefa tsy afaka mivoaka, ao ireo tokony handalo fitsarana, ao ireo fisamborana tokony hatao, ao ireo mpanao ratsy tokony handalo fitsarana kanefa tsy misy raharaha mandeha. Ho lasa tomponandraikitra ireo Greffier ireo raha tsy mahatsapa ny andraikitra tokony horaisiny”, hoy ny Minisitra.

Fanapahana karama

Ankoatra ny fifampiresahana efa nisy, fepetra noraisin’ny Minisitera manoloana ity hetsika ataon’ny Mpiraki-draharaha ity ny fanentanana azy ireo hanaraka ny voalazan’ny lalàna amin’ny fitokonana. Eo koa ny famoahana ny naoty maniraka ireo lehiben’ny fampanoavana hanao ny “service minimum” ka tsy hampihitsoka ny asam-pitsarana. Etsy ankilany, efa niroso tamin’ny “Réquisition” ny Minisitera. Efa misy amin’ireo mpiraki-draharaha, araka izany, no niverina niasa. Misy koa ireo mbola manohy ny fitokonana. “Fepetra azonay raisina ny fanapahana karama”, hoy ny Minisitra omaly, raha mbola mitohy ny tsy fiasana. Nambarany fa tsy sazy ny fanapahana karama, fa lalàna mifehy ny asam-panjakana rehetra, izany hoe, ny fiasana ihany no handraisana karama.

Mahakasika ny filazana fa tsy ara-dalàna ny naoty navoakan’ny Minisitera dia niantso ireo sendikan’ny Mpiraki-draharaha ny Minisitra tomponandraikitra handefa ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana.

Ambadika politika?

Etsy ankilany, araka ny fanambaran’ny Minisitra omaly, dia mampiteraka ahiahy ambadika politika ihany ity fitokonana tanterahin’ny Mpiraki-draharaha ity. Raha ny fantatra mantsy dia misy amin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ireo mpitokona no olona efa misotro ronono, efa tsy misehatra eo amin’ny tontolon’ny asa intsony, kanefa isan’ireo manao fitakiana. Izany hoe, olona tsy hisitraka ireo tombontsoa azo amin’ilay fitakiana akory kanefa isan’ireo manetsiketsika ny fitokonana. Misy amin’izy ireo no mpikambana ao amin’ny Firaisankinan’ny Sendika eto Madagasikara, araka ny angom-baovao. Ankoatra izay, tsikaritra ihany koa fa misy zavatra efa nifanarahana nandritra ireo fihaonana nifanesy, kanefa dia miova ho zavatra hafa rehefa any amin’ny fivoriamben’ireo mpiraki-draharaha. Miova miandalana ihany koa ny fitakiana fa tsy araka izay noresahana hatrany am-boalohany. Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ny raharaha…

Fermer