KolontsainaPolitikaSongadim-baovao
FIROTSAHANA AN-TSITRAPO: Nahafahana nitahiry vola amina miliara ny fanaovana Tagnamaro
Marihina anio 25 Oktobra 2022 ny androm-pirenena ho an’ny Firotsahana an-tsitrapo. Any Imerintsiatosika no ho ivon’ny fanamarihana, amin’ny alalan’ny hetsika Tagnamaro. Ity farany izay Kolontsaina nofohazin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina indray nanomboka ny taona 2019, ary nahafahana nitahiry vola amina miliara, araka ny tatitra.
Manamarika ny androm-pirenena ho an’ny Firotsahana an-tsitrapo isika eto Madagasikara anio. Imerintsiatosika no handray ny lanonana ofisialy amin’izany. Hanamarika ny fotoana kosa ny fanaovana Tagnamaro ny fanamboarana lalana pave any an-toerana. Ao anatin’izany dia hisy ny hitondra herin-tsandry, misy ny manolotra vato, fasika, sy manolotra fitaovam-pitaterana toy ny sarety na fiarabe. Ary ao koa ireo nanolotra vola. Ny fotokevi-dehibe tiana hasongadina dia ilay Kolontsain’ny fifanampiana sy ny firotsahana an-tsitrapo.
Raha faritana tsotsotra ny hoe Firotsahana an-tsitrapo dia fanaovana asa iray na raharaha iray an-tsitrapo, tsy karamaina, fa manao ny asa ho firaisankina sy fiarahamientana. Madagasikara dia manana didim-panjakana momba ny firotsahana an-tsitrapo. Ary ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no apetraky ny lalàna handrindra ny asan’ny mpirotsaka an-tsitrapo rehetra manerana ny Nosy. Ao anatin’izany koa ny fampiroboroboana ny Kolontsain’ny Tagnamaro izay endrika hisehoan’ny firotsahana an-tsitrapo. Tsara marihina fa ankoatra ny maha Kolontsaina azy, dia efa anaty lalàna ny tokony hanaovana ny Tagnamaro, izay efa ao anatin’ny Politikam-pirenen’ny Kolontsaina rahateo.
Raha tsiahivina dia ny taona 2019 no nanombohan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) nivoy sy namelona indray io kolontsaina io. Anarivony ireo asa vita tamin’ny alalan’ny Tagnamaro, isan’izany ny fanarenana fotodrafitrasa, ny famakiana lalana, fanomezana rà, sy ny sisa. Raha ny fanazavan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hatrany dia amina miliara mihitsy no vola voatahiry, izany hoe, tsy nivoaka ny kitapombolam-panjakana noho ny asa natao tamin’ny Tagnamaro. Porofo nivaingana tamin’izany ireo Tagnamaro fanarenana fotodrafitrasa tany Farafangana taorian’ny fandalovan’ny Rivodoza. Farany teo koa ny Tagnamaro famonoana afo tany Ankazobe.
Maherin’ny 3 miliara anatin’ny 12 volana
Araka ny tatitra ny volana Aogositra 2021, tombanana ho 3.148.764.360 Ariary no sandan’ny asa rehetra vita manerana an’i Madagasikara nandritra ny 12 volana voalohany nanaovana ny Tagnamaro. Izany hoe 3.148.764.360 no fitsitsiana vitan’ny firenena Malagasy avy amin’ny fifanomezan-tanan’ny olom-pirenena nandritra ny 12 volana.



