PolitikaSongadim-baovao

FIFANDRAISANA AMIN’NY ANY IVELANY: Tsy manana firenena fahavalo i Madagasikara

Voatendry ho Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, araka ny didim-panjakana laharana faha 2022-1468, ny 18 oktobra 2022. Nambarany nandritra ny fandraisany asa omaly, fa manana fifandraisana ara-diplomatika amin’ny firenena maro i Madagasikara, isan’izany i Rosia, ka tsy manana firenena fahavalo.

Voatery nesorina tamin’ny toerany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha noho ny fanapahan-kevitra izay voalaza fa noraisiny manokana manoloana ny latsabato tany amin’ny firenena Mikambana, izay nanameloka an’i Rosia noho ny fakana ny ampahany amin’ny tany Okrainianina. Hatrany am-boalohany tokoa mantsy, raha hiverenana, dia tsy naneho fiandaniana mihitsy i Madagasikara teo anatrehan’ny fifanandrinana eo amin’ireo firenena roa ireo. Omaly, raha nanazava ny Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, dia nilaza fa firenena mifandray ara-diplomatika amin’i Madagasikara, toa an’ireo firenena hafa any ivelany, i Rosia. Ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy i Rosia izay hankalazaina amin’ity taona ity. Notsindriany, araka izany, fa tsy manana firenena fahavalo avy any ivelany i Madagasikara.     

Nandray  ny asany avy hatrany

Voatendry ho Minisitry ny Raharaham-bahiny misolo toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard araka ny didim-panjakana laharana faha 2022-1468, ny 18 oktobra 2022. Araka izany, notanterahina omaly, teny amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny famindram-pitantanana teo amin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha, Andriamatoa Randriamandranto Richard. Nanotrona izany ny Tale kabinetran’ny minisitera roa tonta, ary ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Nisaotra manokana ireo mpiara-miasa taminy ary nitso-drano azy ireo amin’ny fitohizan’ny asa ny Minisitra teo aloha. Andriamatoa Jeneraly Rakotonirina Richard kosa,  nankasitraka ny fiaraha-miasa hatrizay ary vonona ny hanohy ny asa, araka ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika. Avy hatrany dia nandray ny asa amin’ny maha minisitra mpisolo toerana vonjmaika azy ny Jeneraly Rakotonirina Richard omaly.

Nandritra izany no nandraisany ireo masoivoho vaovao miasa sy monina eto Madagasikara avy amin’ny Inde, Japon ary Israël. Izy ireto moa dia nanolotra ny dika mitovy ny taratasy manendry azy ireo eto Madagasikara na ny « Présentation des copies figurées ». Hihatsara ary hihamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ireto firenena ireto, indrindra ny amin’ny sehatry ny fizahantany, ny fananganana fotodrafitrasa maro samy hafa, hoy ny Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nohamafisiny fa mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ireo firenena ireo.

Andraikitra sahanin’ny Minisitera…

Taorian’izay,  namory ireo tomponandraikitra ambony teo anivon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny tenany ka nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny andraikitra sahanin’ny minisitera eo amin’ny fiainam-pirenena dia ny maha « ministère de souveraineté nationale » azy. Nohamafisiny fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny fanatrarana ny tanjona iriana sy ireo baiko omena mba hampisongadina hatrany ny diplomasia Malagasy. Marihina fa ny tenany dia efa nisolo toerana ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha rehefa namita iraka tany ivelany ity farany. Araka izany dia tsy vaovao aminy ny hanao ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ity Minisitera ity. Izy ihany koa dia manana fahaizana manokana mahakasika ny diplomasia sy ny fifandraisana amin’ireo firenena maro samihafa.

Fermer