PolitikaSongadim-baovao
SEHATRY NY FAMBOLENA, INDOSTRIA, FAHASALAMANA,… : Manamafy ny fiarahamiasany amintsika i Israel, Inde, ary Japon
Masoivoho vahiny miisa telo no nanatitra ny taratasy manendry azy ireo hiasa sy honina eto Madagasikara ho an’ny Filohan’ny Repoblika, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly. Tafiditra ao anatin’izany ny Masoivohon’i Israel, Inde, ary i Japon.
Samy nanome toky ny hanatsara ny fiarahamiasany amin’i Madagasikara avokoa ireo Masoivoho Vahiny telo nanatitra ny taratasy manendry azy ireo hiasa sy honina eto Madagasikara omaly, teny Iavoloha. Isan’izany ny Masoivoho vaovaon’i Israely, Atoa. Eliav Belotserovsky. Araka fanazavana dia maro ireo lalam-piarahamiasa eo amin’i Madagasikara sy Israely izay nodinihina nandritra ny fihaonana teo amin’ity Masoivoho vaovao ity sy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ho fanamafisana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, ny fahasalamana, ny teknolojia momba ny rano, ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy ny hampitomboana ireo mpizahatany israeliana ho tonga hitsidika an’i Madagasikara.
Eo amin’ny lafin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana kosa dia nanambara ity Masoivoho vaovao ity fa hisy ny “Prix nobel en Chimie” ho avy tsy ho ela eto Madagasikara, mba hifampizara traikefa sy voka-pikarohana eny anivon’ny oniversite Malagasy.
Indostria
Tetsy ankilany, tonga nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny Filoham-pirenena ihany koa ny Masoivoho vaovaon’i Inde Atoa. Bandaru Wilsonbabu, omaly. Nanamafy ny fahavononan’i Inde hiara-hiombona antoka amin’i Madagasikara hanatanteraka ireo asa fampandrosoana sy ireo vinan’ny Fitondram-panjakana ity Masoivoho ity. Noho izany, vonona hatrany ny Fanjakana Indiana hizara ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatra maro samihafa toy ny haitao ara-kajy mirindra, ny indostrian’ny fanamboarana sy fikarohana fanafody, ny fambolena sy fiompiana, hoy izy.
Famorakana masomboly
Ankoatra izay, taorian’ny nanolorany ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara tamin’ny Filoham-pirenena, dia niroso avy hatrany tamin’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta ny Masoivoho vaovaon’i Japon miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa. Abe Koji, omaly. Araka ny fanazavan’ity Masoivoho ity, dia vonona ny firenena Japoney hanohy ny fiarahamiasa amin’i Madagasikara.
Isan’ny hiompanan’ny fiarahamiasa vita sonia omaly ny fanatanterahana ny tetikasa fanatsarana ny famokarana ireo masomboly voafantina amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa mpamokatra masomboly sy fanomezana fampitaovana. I Japon moa dia efa mpiara-dia amin’i Madagasikara amin’ny alalan’ireo tetikasa fampandrosoana samihafa indrindra ireo tetikasa miompana amin’ny fanatsarana ny voka-bary mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mitentina 65 miliara Ariary ny tetibidin’ny fanampiana hahafahana mampitombo ny famokarana masomboly. Tetikasa izay hotanterahina eto Analamanga sy Alaotra Mangoro.
Ankoatra izay, nanamafy ny fanohanana ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny fanatanterahana ny Drafitra enti-mampandroso an’i Madagasikara (PEM) ihany koa ny Firenena Japoney, tamin’ny alalan’ity Masoivoho vaovao ity.



