PolitikaSongadim-baovao
PLANINA ENTI-MAMPANDROSO AN’I MADAGASIKARA: Mifanome fotoana eny Ivato ny Fanjakana sy ireo mpampiasa vola anio sy rahampitso
Tanterahina ao amin'ny CCI Ivato anio sy rahampitso ny "Forum national des investissements pour l'émergence de Madagascar". Fihaonana lehibe izay hampivondronana ireo mpisehatra avy amin’ny Fanjakana, ny sehatra tsy miankina sy ireo mpandraharaha isan-karazany, mba hijerena miaraka ireo lalam-piarahamiasa ho an’ny fampandrosoana an'i Madagasikara.
Tanterahina manomboka anio, ary hitohy rahampitso, eny amin’ny CCI Ivato ny fikaonandoha nasionaly mahakasika ny fampiasambola entina hampandrosoana an’ Madagasikara na ny « Forum national des investissements pour l’émergence de Madagascar ». Fihaonana lehibe izay hampivondronana ireo mpisehatra avy amin’ny Fanjakana, ny sehatra tsy miankina sy ireo mpandraharaha isan-karazany, mba hijerena miaraka ireo lalam-piarahamiasa ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mandritra ny fotoana anio ihany koa no hanaovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny jery todika ireo asa vita sy an-dalam-panatanterahana sy ny dingana manaraka ho tanterahina ao anatin’ny « Plan Emergence de Madagascar » na ny Planina enti-mampandroso an’i Madagasikara.
Hisy ireo atrikasa samihafa ho tanterahina ihany koa mandritra izao fihaonana lehibe izao, izay hiresahana ireo sehatra stratejika mety hampiasam-bola eto Madagasikara eo amin’ny lafiny fizahantany sy fitaterana, ny fampiroboroboana ny indostria, ny angovo, ireo fotodrafitrasam-pifandraisana, ny fambolena sy ny fampiofanana arak’asa. Araka ny fantatra dia handeha mivantana amin’ny Televiziona Malagasy sy ny Radiom-pirenena ny lahatenin’ny Filohan’ny Repoblika anio.
Efa mandeha ny fanatanterahana ny PEM
Omaly nitondra fanampim-panazavana mahakasika ny anton’ity hetsika ity ny Mpitondra tenin’ny Governemanta sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo. Betsaka tokoa mantsy no mametra-panontaniana ny amin’ny hoe « fa maninona no izao vao miroso amin’izany fampahafantarana ny PEM izany ny Fanjakana ? Izay izany vao hotanterahina ny drafitra ? ». Nambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa efa ao anatin’ny fanatanterahana tanteraka ny Planina Enti-mampandroso an’i Madagasikara ny FItondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina ankehitriny. Vantany vao nandray ny fitantanana izy ny taona 2019, dia efa navadika ho Programanasam-panjakana na ny PGE ilay « Initiative pour l’emergence de Madagascar (IEM) » izay efa novolavolainy nandritra ny dimy taona. Araka izany, io PGE io ihany no PEM fa tsy hafa akory.
Notsindrian’ity tomponandraikitra ity fa efa betsaka ny asa vita ao anatin’ny fanatanterahana ny PEM nandritra izay efatra taona latsaka izay. Isan’izany ny lalam-pirenena faha-44, faha-5A, ny Kianja Barea Mahamasina, ny EPP, ny CSB, Biraom-panjakana isan-karazany, sy ny sisa maro be. Efa natomboka koa ny tetikasa teleferika, ny lalambe mikodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, sy ny sisa. Ireny asa vita, sy efa mandeha ankehitriny ireny anefa, dia saika avy amin’ny loharanom-bolan’ny Fanjakana malagasy madiodio avokoa. Efa nambaran’ny Filohan’ny Repoblika izany, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa mialohan’ny hiantsoana mpamatsy vola hanampy antsika, dia isika mihitsy aloha no mila maneho fa mahavita isika. Efa nanao, araka izany, ny Fanjakana. Fotoana izao hiantsoana ireo afaka manampy sy mampiasa vola hanenjehana ny fahataran’i Madagasikara amin’ny alalan’ny PEM.
Andrasan’ny Fanjakana malagasy amin’ny alalan’ity hetsika goavana ity, araka izany, hahazoana fifanarahana amin’ireo mpampiasa vola isaky ny sehatra sahaniny avy, izay afaka hifanome tanana amin’ny Fanjakana malagasy. Raha ny fantatra hisy ny fihaonana B to B, na fihaonan’ny mpisehatra roa samihafa hiresahana asa fandraharahana iray. HIsy koa ny B to G, na ny fihaonan’ireo mpandraharaha mivantana amin’ny Governemanta amin’ny alalan’ireo Minisitra isanisany. Izany hoe, zavatra azo tsapain-tanana eo no ho eo no ho hita aorian’ity hetsika goavana ity.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola taona 2023. Araka ny lalàna manan-kery dia atolotra ny parlementa ity volavolan-dalàna ity alohan’ny 30 oktobra 2022 mba hodinihana sy holaniana mandritra izao fivoriana ara-potoana izao. Araka ny tatitra dia manaraka ny lasitra ao anatin’ny Planina Entina Mampandroso an’I Madagasikara (Plan Emergence Madagascar) na PEM ny namolavolana ity teti-bola ity, nomena vahana manokana ny politika fampiroboroboana ny indostria, ny fizahan-tany, ny angovo azo havaozina ary ny fambolena sy ny fiompiana. Anisan’ny lafiny lehibe hisongadina ho voafaritra ao anatin’ny tetibola 2023 ny fepetra ara-ketra sy haban-tseranana ho fampirisihana ny mpandraharaha sy mpampiasa vola eo amin’ireo sehatra ireo, toy ny fanafoana na fanalefahana haba sy hetra amin’ny fananganana orinasa ao anatin’ny fandaharanasa « ODOF », ny fananganana trano fandraisam-bahiny lehibe manerana an’i Madagasikara sy ny fampidirana ireo fitaovana ilaina hisarihana mpizahan-tany any andranomasina (bateau de croisière, catamaran, montgolfière, parc d’attraction…), ny fanodinana ny « éthanol » hahazoana angovo sy ny fampidirana fitaovana mitondra herinaratra azo avy amin’ny masoandro, ny fitrandrahana ara-pambolena tahaka ny fividianana tany hanaovana fambolena. Torak’izany koa ny lafiny sosialy tahaka ny fanabeazana sy ny fahasalamana, mba hanatsarana ny fahazoan’ny olom-pirenena misitraka izany filàna fototra izany. Ohatra amin’ny fanabeazana dia hotsinjovina manokana ny sekoly tsy miankina amin’ny resaka fanalefahan-ketra. Ny fahasalamana izay hametrahana tsy fandoavan-ketra amin’ny fanafarana sy fivarotana fanafody, na koa ny fampidirana akora hanamboarana fanafody eto an-toerana.



