KolontsainaSongadim-baovao

FANOMEZAN-DANJA IREO VAKO-PIRENENA : Natao Tagnamaro ny fanadiovana ny « La Reine de l’Isalo »

Toerana isan’ny mahasarika mpizahatany marobe eto amintsika ny any amin’ny “La Reine de l’Isalo”, manamorona ny lalam-pirenena fahafito ao amin’ny Faritra Ihorombe. Amin’ny maha be mpitsidika azy izay dia iharan’ny tsindry maro ihany koa ny toerana, toy ny fanoratsoratana amin’ny alalan’ny “bombe” sy ny fanariana fako. Nandray andraikitra tamin’ny fanadiovana izany tamin’ny alalan’ny Tagnamaro ny Ekipa notarihin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Ihorombe, ny faran’ny herinandro teo.

Ny « La Reine De l’Isalo » dia iray amin’ny toerana mampiavaka an’i Madagasikara, izay anisan’ny aseho amin’ny ravim-bola 1.000 Ariary ampiasaina ankehitriny. Tsy vitan’ny toerana mahasarika mpizahatany vahiny sy malagasy maro indrindra, fa ireo mpandeha mandalo amin’iny Làlam-pirenena RN7 iny ihany koa dia saika mijanona maka sary hanamarihana ny fandalovana ao Isalo sy Ihorombe avokoa. Maro, noho izany, ireo tsindry mahazo ity toeram-bakopirenena ity toy ny fanoratsoratan’ireo mpandalo sy ny fanipazana fako ary farany teo ny doro tanety.

Taorian’ireo asa ratsy fanimbana farany nahazo an’Ambatomitikitsy na « Reine de l’Isalo », dia nandray andraikitra ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ihorombe, niaraka tamin’ireo mpiantsehatra any an-toerana, ka nanatanteraka fanentanana narahina Tagnamaro fanadiovana, ny Zoma 28 Oktobra 2022 teo. Nanome tanana mavitrika ny Kaomina Ranohira sy ireo mpisehatra amin’ny fizahantany, ny mpitandro filaminana ary ireo hery velona samihafa. Niompana tamin’ny fanadiovana sy fanaovana aroafo ary fikikisana an’ireo loko marobe nataon’olona ny asa santatra am-bavarano notanterahina ary mbola hotohizana izany.

Ho tohin’izao Tagnamaro natao izao, dia hisy ny fametrahana takelaka misy hafatra hikajiana ity toerana miavaka ity ary ho fanomezan-danja azy. Hisy koa dinika manokana hiarahana amin’ireo Mpandraharaha ara-pizahantany sy ny Kaominina Ranohira ho famolavolana ny fanjariana hatao, izay eo ambany fitarihan’ny DRCC na Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina hatrany.

“Voaràran’ny lalàna ary maha voasazy”

Raha hiverenana, tany amin’ny fiandohan’ny volana Aogositra tamin’ity taona ity dia niparitaka tao amin’ny tambajotran-tserasera ny sary maneho ny eny amin’ny valanjavaboarin’Isalo, indrindra ny “La reine d’isalo” izay misy manoratsoratra amin’ny alalan’ny “bombe”. Ny 11 Aogositra 2022, namoaka fanambarana ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolotsaina fa amin’izao fotoan’ny fialan-tsasatra izao dia maro ireo olona mivezivezy manerana ny Nosy. Maro amin’ireo Faritra tsidihina sy andalovana, toy ny ao Isalo, no ahitàna toerana arovana sy voasokajy ho vakoka. “Ampatsiahivina hatrany fa misy ny fitsipika mifehy azy ireny ary voararan’ny lalàna ny manimba azy ireny amin’ny fomba rehetra, toy ny nataon’ireo mpandalo teto Isalo kaominina ambanivohitra Ranohira. Tandremo fa maha voasazy izany! Koa ndao samy handray andraikitra”, hoy ny Minisitera. Nandritra izany no nanomezan’izy ireo ny laharan’ny BAP izay azo antsoina raha sendra mahita trangana famotehana vakoka, dia ny 033 64 951 47. Ho an’Isalo manokana dia azo atao koa ny miantso ny 032 09 400 98, izay laharan’ny solontenan’ny MNP ao an-toerana.

Fermer