PolitikaSongadim-baovao
NOSY MALAGASY – VAOMIERA ITAMBARAN’NY FRANTSAY SY MALAGASY : « Fandaminana ny lahadinika no mampihemotra ny fihaonana faharoa »
Tsy olana mahakasika izay handrafitra ny delegasiona malagasy no antony nampihemotra ny fihaonana faharoa eo amin’ny Vaomiera itambaran’ny Frantsay sy Malagasy momba ny Nosy Malagasy, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta omaly. Nambarany fa mbola misy asa mialoha (travail préalable) tokony hataon’ny roa tonta, isan’izany ny famaritana ny lahadinika, mialohan’ny tena fihaonana, ka izay no anton’ny fampihemorana.
Omaly 3 Novambra 2022 no fantatra fa daty voafaritra hanatanterahana ny fihaonana andiany faharoa teo amin’ny Vaomiera itambaran’ny Frantsay sy ny Malagasy amin’ny raharaha Nosy Malagasy. Tsy tontosa omaly anefa izany fihaonana izany. Novoizin’ireo haino aman-jery sasany tany ivelany, sy teto an-toerana fa noho ny fanesorana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha, izay tokony ho nitarika ny delegasiona malagasy, no anton’io fanemorana ny fihaonana faharoa io. Omaly, nitondra fanazavana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, fa tsy noho ny mbola tsy fisian’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny no tsy maha raikitra ny fihaonana faharoa fa noho ny asa mialoha (travail préalable) mbola tsy tapitra izay tokony hataon’ny roa tonta. Asa izay hamaritana ny lahadinika hikaonandoha mandritra ny fihaonana. “Izany hoe, mbola amina dingana famaritana izay tokony ho lahadinika hiaraha-mikaondoha ny roa tonta hatreto. Araka izany, tsy foana ilay fihaonana fa nihemotra vokatr’izay mbola fanohizana ny asa eo amin’ny roa tonta izay », hoy izy.
Notsindrian’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa tsy any amin’ny olona handrafitra ny delegasiona no mipetraka ny olana, raha ho an’i Madagasikara manokana. Notsiahiviny, tao anatin’izany, fa ny Praiminisitra no nitarika ny delegasiona malagasy tao anatin’ny Vaomiera itambaran’ny frantsay sy Malagasy tamin’ny 2019. Noho ny valanaretina Covid-19 dia tsy tontosa ny fihaonana faharoa ny taona 2020 sy 2021. Amin’ity taona ity indray, araka izany, vao afaka hotontosaina io fihaonana faharoa io. Na izany aza, nilaza ny tenany fa hisy ny fanovana ireo handrafitra ny delegasiona malagasy, ary efa miasa ao anatin’izany ny Fanjakana ankehitriny.
Fanemorana fanindroany
Ny fiandohan’ny herinandro teo dia mbola nanamafy ihany koa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, fa tsy maintsy hisy ny fihaonana faharoa eo amin’ny Lafrantsa sy Madagasikara mahakasika raharaha Nosy Malagasy. Efa mandeha ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta, hoy izy, mahakasika ny hanatanterahana io fihaonana faharoa io, satria mbola misy pitsopitsony samihafa mila alamina. Raha tsiahivina dia tokony ho tamin’ny volana septambra 2022 teo no natao ny fihaonana faharoa teo amin’ny Lafrantsa sy Madagasikara saingy noho ny fanovana Governemanta nisy tany an-toerana dia nangataka ny Fanjakana frantsay ny hanemorana io fihaonana faharoa io. Ny 2 sy 3 Novambra teo indray, araka izany, no nokasaina hanaovana ny fihaonana faharoa fa izao tsy tanteraka izao. Andrasana ny ho tohin’ny raharaha…




