PolitikaSongadim-baovao
FAMPANANANA ASA – SERASERA SY KOLONTSAINA : Misokatra ny tranonkala hampifandray ny tolotra sy ny tinady
Hisokatra ho azo tsidihina manomboka anio ny tranonkala "www.task.mg", izay Fandaharanasan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, entina mampifanojo ny orinasa sy ireo mitady asa sy fiofanana arak'asa, misehatra eo amin'ny serasera sy ny kolontsaina. Natao ho an'ny rehetra, araka izany, ny ToroAsa Serasera sy Kolontsaina (TASK), na ireo tsy manana traikefa vao hiditra amin'ny sehatry ny asa aza.
Sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy Minisitera mandray an-tanana ny fitadiavan’ireo tanora asa, izay tsy voatery manana ny traikefa takian’ireo mpampiasa. Nampahafantarin-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny fomba ofisialy, omaly nandritra ny « Semaines de l’Education aux Médias et à l’Information » (SEMI), ny fandaharanasa lehibe « ToroAsa Serasera sy Kolontsaina » na ny TASK. Fandaharanasa izay entina hampifanakaikezana ny tolotra sy ny tinady arak’asa eo amin’ny sehatry ny serasera sy ny kolontsaina. Misy, araka izany, ny tranonk’ala « www.task.mg » natao hampifandraisana ireo manana tolotr’asa sy ireo tanora vao avy nahavita fianarana amin’ireo sehatra ireo. Manentana ireo tanora sy ireo orinasa misehatra amin’izany ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, hitsidika sy hanoratra ary hametraka ny mombamomba ny tsirairay (Curriculum Vitae), ao anatin’ny tranokala izay hisokatra amin’ny fomba ofisialy anio. Tsy andoavam-bola ny fandraisana anjara, fa hisy kosa ny saran’ny fampiasana aterineto (connexion), hoy hatrany ny fanazavany. Hisokatra ihany koa ny trano ivontoeran’ny tolotr’asa sy fampianarana asa (pôle emploi et stage), etsy Nanisana. Hisy ireo mpiasa handray an-tanana ireo rehetra tonga any an-toerana ary hanampy sy hanaraka akaiky izany. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara, ary omena sehatra ao anatin’ny tranokala avokoa na ireo vao mitady fiofananana arak’asa (stage), na ireo anatin’ny fitadiavana asa.
Marihina fa, natao ho an’ny rehetra izay manana fahefana mampiasa aterineto ny tranok’ala TASK, na ireo avy any amin’ny Faritra aza dia afaka hisitraka izany avokoa manomboka anio. Tonga nanotrona ity fampahafantarana ity ihany koa, ny Tale Jeneralin’ny orinasa Canal+ eto Madagasikara, izay nilaza fa « entina hanamorana ny fitadiavana asa ny TASK, raha teo aloha feo avy amin’ny olona na manatona eny amin’ny toeram-piasana mihitsy aza vao afaka mahazo ny asa sahaza ny tsirairay ». Nanamafy ihany koa ny tenany fa, « ahazo tombony ihany koa ny orinasa, afaka hifantina sy hanaraka ireo tanora vao misondrotra nefa mety manana ny fahaiza-manaony manokana fa tsy hita loatra noho ireo antontan-taratasy marobe tonga ao aminy ».
Heriniaina S. (Mpianatra asa) sy LR.




