PolitikaSongadim-baovao

FIVORIAMBE MIKASIKA NY FIOVAOVAN’NY TOETR’ANDRO: Any Ejipta manatrika ny COP 27 ny Filoha Andry Rajoelina

Vantany vao vita ny fitsidihana naharitra roa andro nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tany Nosy Be, dia nihazo avy hatrany an’i Ejipta ny tenany, hanatrika ny fivoriamben’ny Firenena mikambana mikasika ny fiovaovan’ny Toetrandro na ny COP 27. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ity fivoriana ity, indrindra ho antsika izay mizaka betsaka ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro misy manerantany.

Taorian’ny fitsidihan’ny Filoha Andry Rajoelina an’i Nosy Be, ny faran’ny herinandro teo, dia nanainga avy hatrany nihazo an’i Ejipta ny delegasiona notarihiny hanatrika ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana mahakasika ny fiovaovan’ny Toetr’andro (COP 27). Nambaran’ny Filoha fa zava-dehibe mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana no hodinihina mandritra izany. Miandry ny fanehoan-kevitr’i Madagasikara ny firenena maro manerana an’izao tontolo izao, hoy izy, manoloana ny zava-misy ara-tontolo iainana ankehitriny. Nanainga tamin’ny alalan’ny “Vol commercial” ny Filoha fa tsy nandeha fiaramanidina manokana. Ary hanatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy anio amin’ny 11ora maraina.

Marihina fa maro ireo sehatra lasibatry ny fiovan’ny toetrandro eto Madagasikara. Anisan’izany ny fambolena sy ny fiompiana, ary ny rano izay mahatonga haintany sy tondra-drano. Ilàna fandraisana andraikitra maika sy goavana izany, ka antony hiraisan’i Madagasikara feo amin’ireo firenena Afrikana mandritra ny COP27 atao ao Ejipta, hisitrahana famatsiam-bola…

Antontan-kevitra roa lehibe

Mandritra ity COP 27 atao any Ejipta ity dia hiady mafy manoloana ireo firenena mandroso mpandoto tontolo iainana ireo firenena andalam-pandrosoana, anisan’izany i Madagasikara. Izy ireo izay voatohintohina amin’ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro misy maneran-tany, ka mitaky famatsiam-bola avy amin’ilay “Fond vert pour le climat”. Araka ny fanadihadiana dia manana ny antontan-kevitra roa lehibe i Madagasikara, izay iombonany amin’ireo firenena Afrikanina, dia ny “Contribution National Déterminé” (CDN) sy ny “Plan National d’Adaptation”, izay tsy afa-misaraka fa takian’ilay fifanarahana “Cadre des Nation Unies pour le Changement Climatique” hahafahana misitraka io famatsiam-bola avy amin’ny “Fond vert pour le Climat” io ho an’ireo firenena rehetra efa nahavita ireo antontan-kevitra roa ireo. Anisany tombony ho an’i Madagasikara amin’ity adisisika hotanterahina ao Ejipta ity, ny efa nahavitantsika ny CDN, raha ny  nambaran’ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Vina Marie-Orléa. Ny fahavitan’ireo antontan-kevitra stratejika ireo, araka izany, no entina mandritra ity fihaonam-be momba ny fiovan’ny toetrandro ity, ka hahafahana misitraka tetibola hiatrehana ny fiovan’ny toetrandro, izay hiadian’ireo firenena Afrikanina.

Tsara ho fantatra fa 100 miliara dolara isan-taona no tokony harotsak’ireo firenena mandroso ao anatin’ny “Fond vert pour le Climat” ho an’ireo firenena andalam-pandrosoana, hahafahana miara-misalahy hiadiana sy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro.

Fermer