PolitikaSongadim-baovao
FIOVAOVAN’NY TOETR’ANDRO: Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny “Conférence des parties” (COP)
Ny “Conférence des parties” (Conference of the parties) na hafohezina amin’ny teny hoe COP dia fivorian’ny Firenena maro maneran-tany hametrahana tanjona ara-tontolo iainana iombonana. Niainga tamina fifanarahana iraisampirenena no nahateraka ny COP, dia ny Convention-cadre des Nations unies sur les changements climatiques (CCNUCC), ny taona 1992. Nanomboka ny taona 1995 kosa no nisy isan-taona ny COP. Isan’ireo efa tapaka nandritra ny COP ny Protocole de Kyoto (1997) sy ny Accord de Paris (2015).
Ny fampihenana ny famokaran’ireo Firenena manerantany ny entona mangeja hafanana no anisan’ny tanjona voalohan’ny COP hatrany am-piandohana. Ny fihaonana isan-taona, noho izany, dia tsy maintsy hanehoana ny fandrosoan’ny fahatrarana io tanjona io. Tsara marihina fa ireo Firenena rehetra nanao Sonia ilay CCNUCC no mahazo ny fiantsoana isan-taona amin’ny COP. Ny Firenena Mikambana, araka izany, no mpikarakara ny hetsika, saingy miovaova isan-taona kosa ny firenena hantanterahana ny fivoriana.
Fanampiana ara-bola…
Nandritra ny COP15 tao Copenhague ny taona 2009, nifanaraka ireo firenena mandroso, izay tena mpandoto ny tontolo iainana, fa handrotsaka vola hanohanana ireo firenena andalam-pandrosoana izay mizaka betsaka ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny tontolo iainana. Voalaza tao anatin’izany fa manomboka ny taona 2020 dia tokony ho tafiakatra hatrany amin’ny 100 milliards dolara isan-taona izany tahiry maitso ho an’ny toetr’andro izany. Misy fepetra anefa ny fahafahan’ireo firenena andalam-pandrosoana misitraka io tohana ara-bola io. Isan’izany ny fananana paikadim-pirenena ho an’ny fahafaha-miatrika, sy ny fananana politika maty paika iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Araka ny fanadihadiana dia efa manana ny antontan-kevitra roa lehibe i Madagasikara ankehitriny, dia ny “Contribution National Déterminé” (CDN) sy ny “Plan National d’Adaptation”, izay tsy afa-misaraka fa takian’ilay “Convention Cadre des Nation Unies pour le Changement Climatique” hahafahana misitraka io famatsiam-bola avy amin’ny “Fond vert pour le Climat” io. Anisany tombony ho an’i Madagasikara amin’izao adisisika tanterahina ao Ejipta izao, araka ny fantatra, ny efa nahavitantsika ny CDN.
Nanatrika ny fotoam-panokafana ny COP27 na ny fihaonana an-tampony andiany faha-27 amin’ny fifanarahana lasitry ny Firenena Mikambana mikasika ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro izay tanterahina any Sharm El-Sheikh ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny delegasiona tarihiny omaly 7 novambra 2022. Filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana maherin’ny zato no manatrika izany fivorian-dehibe izany any an-toerana. Handray anjara amin’ireo fivoriana sy atrikasa hotanterahina mandritra izany fihaonana an-tampony izany ny Filoha Andry Rajoelina. Hanohy sy hanamafy ny fitakiana efa nentiny tamin’ny COP 26 tamin’ny taon-dasa ny tenany, hitondra avo ny feon’i Madagasikara izay mizaka mivantana ny takaitran’ny fiovaovan’ny toetrandro ary hiantso ny andraikitry ny rehetra amin’ny fizarana ara-drariny ny ezaka hatao hiatrehana izany, araka ny tatitra.




