Songadim-baovaoSosialy

FANAMBOARAN-DALANA AMIN’NY RN7: Hentitra amin’ny fampanajana ny fenitra ny LNTPB

Lalana mirefy 20 kilometatra, manomboka eo amin’ny PK145 ka hatrany amin’ny PK165, amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7) no sahanin’ny Orinasa Magic Construction. Natomboka tany an-tampon-tanànan’Antsirabe ny asa, noho ny fandraisana ny JMJ farany teo, araka ny fanazavan’ny Tale Teknikan’ity orinasa ity, andriamatoa Vita Botsy Thierry. Ankehitriny, ny 55%-n’ny asa ankapobeny no efa vita. Tombanana ho vita tanteraka amin’ny volana desambra ho avy izao kosa ny asa rehetra.

Ho fisorohana ny trangana tsy fanaraham-penitra amin’ny asa fanamboarana, toy izay niseho tamin’ny fanamboaran-dalana tany Nosy Be izay notsirihin’ny Filoham-pirenena, ny herinandro teo, dia niroso avy hatrany tamin’ny fitsirihana ity asa fanamboarana ao amin’ny lalam-pirenena fahafito ity ny LNTPB na ny “Laboratoire National des travaux Publics et du Batiment”. Ity farany izay sampandraharaha eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, manao fikarohana mahakasika ny fanatsarana ny lalana, ny fanamboarana fotodrafitrasa tahaka ny tetezana sy ny tohodrano mba hampatezana azy ireny.

Araka ny nambaran’i Anja Ratsimamitaka, Chef de Laboratoire eo anivon’ny LNTPB, dia miezaka ity sampandraharaha ity mampanaraka fenitra ireo orinasa mpanao lalana, ary manao fanarahamaso hentitra mba hahafahana manana fotodrafitrasa maharitra. “Mizara roa ny fanarahamaso ny asa, dia ny eny amin’ny “chantier”, sy ny fanarahamaso ny akora ampiasaina entina manao ny lalana. Ohatra amin’izany ny fanaovana ny couche de fondation, izay tsy maintsy vita fankatoavana vao azon’ny orinasa ampiasaina”, hoy ny fanazavana. Nambarany fa raha sendra misy tsy fahatomombanana dia manoratra sy manome toromarika ny orinasa manao ny lalana izy ireo mba hamerina izany avy hatrany. Notsindrian’ity tomponandraikitra ity, araka izany, fa hentitra amin’ny fanarahamaso ny kalitaon’ny asa ny eo anivon’ny LNTPB.

Fermer