PolitikaSongadim-baovao

FIARAHAMIASA AMIN’NY ANY IVELANY: Hifanakalo traikefa ireo mpitsabo malagasy sy indianina

Tafiditra ao anatin’ireo firenena manana fifandraisana marolafy amin’i Madagasikara ny Firenena indianina. Ity farany izay manana fahaiza-manao eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana sy fikarohana fanafody. Anisan’ny nisongadina tamin’ny dinika nifanaovan’ny Masoivoho vaovaon’i Inde eto Madagasikara, andriamatoa  Bandaru Wilsonbabu tamin’ny Lehiben’ny Governemanta Malagasy, omaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana. Notsipihina nandritra izany fa tafiditra ao anatin’izany koa ny hifanakalozan’ireo mpitsabo Malagasy sy Indiana traikefa. Raha tsiahivina dia efa naneho ny fahavononany ny hizara ny fahaiza-manaony amin’i Madagasikara i Inde mahakasika ny indostrian’ny fanamboarana sy fikarohana fanafody, nandritra ny fihaonan’ity Masoivoho vaovao ity, tamin’ny Filohan’ny Repoblika.

Omaly, nihaona voalohany tamin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ny Ambasadaoro vaovaon’i Inde eto amintsika, Andriamatoa Bandaru Wilsonbabu. Nambaran’ity diplaomaty indianina ity fa samy ao anatin’ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara sy Inde ka azo atao ny manatsara bebe kokoa ny fiarahamiasa eo amin’ny sehatra rehetra, toy ny ara-toekarena, filaminana ary kolontsaina. Naneho ny faniriany ihany koa ny Ambasadaoro ny hampitomboana isa ny mpizahatany indianina hitsidika an’i Madagasikara, sy ny hahatongavan’ny mpizaha tany Malagasy any Inde.

Raha hiverenana dia efa nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny Filoham-pirenena ny Masoivoho vaovaon’i Inde Atoa. Bandaru Wilsonbabu ny 26 oktobra 2022 teo. Nandritra izany no nanamafisany ny fahavononan’i Inde hiara-hiombona antoka amin’i Madagasikara hanatanteraka ireo asa fampandrosoana sy ireo vinan’ny Fitondram-panjakana. Vonona ihany koa ny  ny Fanjakana Indiana hizara ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatra maro samihafa toy ny haitao ara-kajy mirindra, ary ny fambolena sy fiompiana.

Fermer