Fanadihadiana ManokanaSongadim-baovao

FANARATSIANA ENDRIKA SY FANALAM-BARAKA : Nitory ny gazety « Le Monde Afrique » ny Pharmalagasy

Vokatry ny fanaratsiana sy fanalam-baraka, izay tsy mitombina akory, tao anatin’ny lahatsoratra an-gazety « Le monde Afrique », nivoaka ny 22 jolay 2022, momba ny Pharmalagasy. Nisy fiantraikany tamin’ny vokatra novokarina izany satria niafara tamin’ny fanafoanana kaomandy maro avy any ivelany, hanondranana CVO+. Nitory ny gazety « Le Monde Afrique » ity orinasa ity ary mitaky onitra 15 tapitrisa euros…

Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity, ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Holijaona Rabaona..

Vokatry ny fanaratsiana sy fanalam-baraka, izay tsy mitombina akory, tao anatin’ny lahatsoratra an-gazety « Le monde Afrique », nivoaka ny 22 jolay 2022, momba ny Pharmalagasy. Nisy fiantraikany tamin’ny vokatra novokarina izany satria niafara tamin’ny fanafoanana kaomandy maro avy any ivelany. Nitory ny gazety « Le Monde Afrique » ity orinasa ity. Araka ny nambaran’ny Filohan’ny filankevi-pitantanana, Holijaona Rabaona omaly, tetsy amin’ny foiben-toerany tetsy Tanjombato fa «   hotsaraina any Frantsa ny raharaha ary misy ny fitakiana onitra mitentina 15 tapitrisa euros ». Nasongadiny koa fa tafiditra ao anatin’ny fepetra efatra takin’ny Pharmalagasy ny fanitsiana ireo vaovao diso nolazaina tao anatin’ny lahatsoratra, izay nataon’ity gazety ity. Ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fikarakarana araka ny tokony ho izy, dia nalefa any amin’ny manampahefana ara-dalàna any Frantsa. Ho fanatanterahana izany, dia efa nisy ny fangatahana napetraka tany amin’ny Lapan’ny Fitsarana ao Versailles, ny 01 septambra 2022, izay nekena soa aman-tsara.  Tiana ny manamarika fa ny fahombiazan’ny « in-vitro » Artemisia dia voaporofo ara-tsiansa, tamin’ny alalan’ny fivoahan’ny tatitra iraisampirenena nisesisesy. Fitsapana sy andrana ary dingana isan-karazany no natao ary nohajaina. Tamin’ny fiafaran’izany, dia hita fa ny CVO+, dia manaporofo ny fahombiazany, amin’ny taha 87,1%. Maherin’ny 70% ny marary sitrana taorian’ny 28 andro fitsaboana.

Nisy fiantraikany lalina…

Niezahan’ny gazety « Le Monde » nalana baraka sy nenjehina mihitsy ny Pharmalagasy.

Raha ny lahatsoratra navoakan’ny gazety « Le Monde Afrique » anefa, ny 22 jolay 2022, mifanohitra amin’ireo voalaza, ary tena  nisy fiantraikany amin’ireo mpanafatra entana. Maro tamin’izy ireo no nanafoana ny kaomandy, indrindra ny CVO+. Ny lahatsoratra fanaratsiana anefa, tsy mitombina akory, saingy nampitarika tsy fahatokisana maneran-tany, ny amin’ny fahombiazan’ny CVO+. Mbola mihanaka ny valanaretina coronavirus, ary tsy resaka hoe tsy fahampiana enti-manana ihany izany, fa voasaringotra ao koa ny maha olombelona.  Fitsinjovana ny fahasalaman’ny besinimaro no tanjon’ny Pharmalagasy, kanefa dia lasa nisy fiantraikany goavana teo amin’ny vahoaka ny nambaran’iny lahatsoratra iny, sady manaratsy ny tontolon’ny siansa, izy ireo no mamotika ny ezaka nataon’i Madagasikara, tamin’ny fitsaboana nentim-paharazana, izay azo antoka sy nahomby ary mora kokoa. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaham-pitsarana mampifanolana ny Pharmalagasy sy ny gazety « Le Monde Afrique » ity. Raha tsiahivina, ny oktobra 2020, enim-bolana taorian’ny tranga voalohany tami’ny covid-19 teto Madagasikara, dia  notokanan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tamin’ny fomba ofisialy ny ozinina, Pharamalagasy, izay namokatra CVO+ amin’ny « gélules ».

Fermer