
Fanadihadiana ManokanaSongadim-baovao
COVID-19 TETO MADAGASIKARA Nahasitrana marary hatramin’ny 87,01% ny voka-pikarohana CVO+
Raha tsiahivina dia nanao fanambarana tamin’ny Fitondram-panjakana Malagasy ny OMS fa manaiky sy miaiky ny fanarahana ireo fomba amam-panao nentina namokarana ny voka-pikarohana CVO+ fanasitranana sy fisorohana ny covid-19, izay narahin’ireo Siantifika malagasy. Fahombiazana maro no hita tamin’ity voka-pikarohana ity, ary maro ireo firenena efa nanafatra azy, anisan’izany ny taty Afrika…
Teo anatrehan’ireo toetra na karazana tsimokaretina avy amin’ny covid-19 (variant) efa niditra teto Madagasikara, raha ny fitiliana vita teny amin’ny « Institut Pasteur de Madagascar », ny ankamaroan’ireo nijoro vavolombelona nararin’ny covid-19 nanaiky nositranina tamin’ny CVO+ dia nahita fahombiazana avokoa. Izy ireo izay tsy tonga tamin’ny fahasarotana, ary lavitry ny fahafatesana. Raha ny andrana klinika natao teto amintsika ny volana jona 2021, notanterahin’ny CNARP dia nahatratra 87,01% ny taham-pahombiazana azo tamin’ity voka-pikarohana CVO+ fanasitranana marary ity. Ao anatin’ny dingam-pitsaboana ny aretina covid-19 eto Madagasikara hatrany, ny CVO+ amin’izao fotoana, ary manasitrana ny aretina covid-19 amin’ny fambara tsotra sy antonony. Ny olona vita na tsy vita vaksiny dia afaka mihinana azy avokoa.
Nanaiky ny fahaiza-manaon’ireo Siantifika malagasy ny OMS
Tamin’ny faramparan’ny volana febroary 2022 raha tsiahivina, no tonga teto Madagasikara nitsidika ny Pharmalagasy, izay mamokatra ny voka-pikarohana Malagasy « CVO+ gellule » fanasitranana sy fisorohana ny covid-19, ireo delegasiona mafonja avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS), izay nahitana ny avy amin’ny firenena atsy Afrika Atsimo sy Alemana, ary Korea Avaratra sy ny sisa. Nanaraka akaiky sy nanamarina ny fizotry ny dingana narahina momba ny famokarana ny CVO+ io izy ireo tamin’izany, ary nanaiky sy niaiky ireo Siantifika malagasy teo amin’ny fahaiza-manao nananan’izy ireo tamin’io famokarana avy amin’ny voka-pikarohana niainga tamin’ny zava-maniry misy eto io. Nankasitraka manokana ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny OMS, noho izy angady nananana sy vy nahitana voalohany indrindra io fikarohana niainga tamin’ny zava-maniry « Artemesia » misy eto amintsika io, izay narahiny ezaka marolafy ka tonga tamin’izao dingana izao. Nomarihan’ny Filohan’ny filan-kevi-pitantanana eo anivon’ny Pharmalagasy (PCA) Holijaona Raboana, fa « raha betsaka ireo tsy nino io fanefitry ny covid-19 novokarintsika teto Madagasikara io, dia efa ny OMS mihitsy no tonga teto an-toerana nanao fanambarana taorian’ny fanarahany ireo dingana vita, ary nanome alalana hametrahana fahazoan-dalana ireo tsena hivarotana ny CVO+ eto an-toerana ka hatrany ivelany ». Fantatra, fa firenena maro no efa nangataka ity voka-pikarohana ity teto amintsika, raha mbola maro ireo maniry ny hanana azy, toa an’i Zambia, Maorisy sy Afrika Atsimo.
An-jatony ireo zava-maniry azo trandrahana…
Fiantombohana fotsiny izao dingana vitan’ny Malagasy voamarin’ny OMS izao, saingy mitohy ny ezaka fikarohana sy famoahana voka-pikarohana tanterahin’ny Siantifika eto amintsika. Efa nidirana ihany koa ny lavitr’ezaka, raha ny nambarany, izay tanterahin’ireo siantifika avy amin’ny « Centre National d’Application de Recherche Pharmaceutiques » (CNARP) sy ireo Mpikaroka malagasy. Fantatra, fa an-jatony ireo zava-maniry tsy misy afa-tsy eto Madagasikara hanaovana fikarohana sy haodina ho lasa vokatra malagasy. Mihoatra ny 13 kosa, ankehitriny, ireo zava-maniry misy eto efa natao fikarohana sy novokarin’ny Pharmalagasy tonga fanafody, izay efa mihoatra ny vinan’ny Filoha tamin’ny taon-dasa. « Tsy hijanona fotsiny eo amin’ny dingana takian’ny OMS koa isika, fa hikaroka fahaiza-mano hafa manoloana ny fahasamihafan’ireo dingana arahina eo amin’ny famokarana ananan’ireo firenen-kafa. Efa nisy koa ny fanomanana fifampiraharahana teo amin’i Etazonia mba hahazoana ny FDI hahazoana manaparitaka ny CVO+ fanasitranana io any an-toerana, sy amin’ny firenen-kafa », nanampy fanazavana ny PCA. Mizotra hatrany kosa ny famokarana fanafody hafa ankoatra ny CVO+ tanterahin’ny Pharmalagasy.