Songadim-baovao

MPIARO IREO OLO-MANAN-KAJA AMBONY : Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ireo zandary 30 nahavita fiofanana

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Vondron-kery manokana (CFS) ireo zandary mpiofana mpiaro ireo olo-manan-kaja ambony, miisa 30. Nambaran’ny lefitra voalohan’ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Reribake Jeannot fa « ireo mpiofana tsy nikely soroka sy tsy nitarai-tana-miempaka. Tsy kisendrasendra no nanaovana izao fiofanana izao, fa nisy ny tondrozotra izay navoakan’ny Fibaikoana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena »…

Mpiofana sangany nomen’ny Kly Rakotonirina Lala, Lehiben’ny Vondron-kery manokana ny mari-pahaizany.

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Vondron-kery manokana (CFS) ireo zandary mpiofana mpiaro ireo olo-manan-kaja ambony, miisa 30. Nambaran’ny lefitra voalohan’ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Reribake Jeannot fa « ireo mpiofana tsy nikely soroka sy tsy nitarai-tana-miempaka. Tsy kisendrasendra no nanaovana izao fiofanana izao, fa nisy ny tondrozotra izay navoakan’ny Fibaikoana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ». Nasongadiny fa  asa mafy ny Mpiambina ireo Tomponandraikitra ambony eto anivon’ny Firenena, sy eny anivon’ireny masoivoho isan-tokony ireny. Asa mafy, asa matihanina no takina, zon’ireo olom-panjakana ambony, manomboka any amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny ho ambenana sy  arovana ny ainy, mba tsy hitaintaina hahafahana mametraka ny asany antsakany sy andavany, mba hisy tamberina aty amin’ny vahoaka. Asa mafy izany ary asa tsy mora izany, hoy izy nanantitrantitra. Nisafidy asa fiarovana olona ambony eto amin’ny Firenena ianareo 30 mianadahy, izay nahitana zandary vehivavy miisa roa.  Fitiavana lehibe izany ary asa sarotra izany. Ny fahaiza-manao izay norantovina teto, tsy ho mena-mitaha, ary matooky ireo lehibe isan-ambaratonga manana anareo, raha ny hafatra nampitain’ny Jly Reribake Jeannot.

Mikasika ireo mpiofana, dia nandalo fitsapana sy fifaninanana teo anivon’ny zandarimaria izy ireo. Izay voafantina tamin’ny fifaninanana no miatrika ny fiofanana Mpiaro ireo olo-manan-kaja ambony, raha ny fanazavan’ny Kapiteny Raveloson Jean, isan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Vondron-kery manokana. Nandritra ny efa-bolana no nanao ny fiofanana, momba ny zavatra norantovina izy ireo. Rehefa vita ny fiofanana,  nahazo ny mari-pahaizana, afaka misehatra avy hatrany ao anatin’ny asa sy ny fahaizana norantovina nandritra ny fiofanana.

Fermer