PolitikaSongadim-baovaoToekarena
HETRAN-TRANO ETO ANTANANARIVO: Tany amin’ny 30 taona lasa no nisy fitikihana farany
Niteraka resabe teo anivon’ny fiarahamonina, indrindra niparitaka nanerana ny tambajotran-tserasera ny mahakasika ny fiovan’ny hetran-trano eto Antananarivo Renivohitra. Saika niombonan’ireo fanehoan-kevitra maro ny hoe mihoam-pampana ny fisondrotan’ny hetra takin’ny Kaominina. Ity farany izay nilaza omaly fa tany amin’ny 30 taona lasa no nisy fikitihana farany ny hetran-trano teto Antananarivo, ka vinan’ny Ben’ny tanàna ny hanavaozana izany. Efa nisy kosa anefa ny fitsinjovana ireo mpandoa hetra manana fidiram-bola ambany ao anatin’izany.
Fiakarana hatrany amin’ny 600%, raha mitaha tamin’ny hetran-trano naloa hatrizay, no takin’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo amin’ny tokantrano sasany ankehitriny, araka ny fanehoan-kevitra eny anivon’ny fiarahamonina. Saika manerana ny tambajotran-tserasera dia ahitana resabe mahakasika ity voalaza fa fidangan’ny hetran-trano eto Antananarivo Renivohitra ity avokoa. Mipetraka ny fanontaniana hoe inona tokoa no tena zava-misy marina? Fotoana tokony hampiakarana ny hetra marina ve izao?
Omaly, nitondra fanazavana ny Mpitondra Tenin’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra izay nilaza fa efa 30 taona lasa no nisy fikitihana ny hetran-trano farany teto Antananarivo Renivohitra. Teo anelanelan’izay, tsy nisy mihitsy ny fanovana natao. Tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Ben’ny tanàna ankehitriny, noho izany, ny mitondra fanavaozana amin’izany hetran-trano izany. Ny hetra izay notsiahiviny fa anisany anjara birikin’ny tsirairay amin’ny fampandrosoana sy fanatsaràna ny Tanàna. “Tsy mandeha ny asa toy ny fananganana fotodrafitrasa eto Antananarivo Renivohitra, tsy afaka manatanteraka ny adidy sy ny andraikitra izay andrasan’ny vahoaka ihany koa ny Fiadidiana ny Tanàna raha tsy misy ny hetra”, hoy ny fanazavana.
Fampihenana hatramin’ny 60%
Fomba vaovao, araka izany, no fikajiana ny hetra. Nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Ben’ny tanàna tao anatin’izany anefa, fa mba ho tombontsoan’ny mpandoa hetra manana fidiram-bola ambany indrindra dia misy ny fampihenana ny hetra izay mety hatratra hatramin’ny 60 isan-jato. Efa nandefa fanazavana fanampiny rahateo ny teo anivon’ny Kaominina izay nilaza fa “Ny fampihenana ny hetra ho an’ny fanambaran-ketra ny taona 2021 sy 2022 dia hatao ho tombontsoan’ireo manana fidiram-bola ambany indrindra… Ho an’ireo sokajy roa manomboka amin’ny 0 ka hatramin’ny 100,000, ary manomboka amin’ny 100,000 hatramin’ny 200,000, dia handoa sarany tokana ireo mpandoa hetra…
Ho an’ny hafa kosa dia misy fihenam-bidy rehefa eo am-pandoavana ny hetran-tranony izy ireo”.
Nanome toky ny teo anivon’ny Kaominina fa misokatra ho an’ny Mponin’Antananarivo Renivohitra ny Birao ho an’ireo rehetra izay mila fanampim-panazavana mahakasika ny « hetra ».



