PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FANDANIAMBOLAM-PANJAKANA (PLFI 2023): Hiompana amin’ny fampianarana sy fahasalamana ary ny fanamboaran-dalana
Dinihina eny amin’ny Antenimiera roa tonta amin’izao fivoriana ara-potoana faharoa izao ny volavolan-dalàna laharana faha 017/2022 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2023. Vinavinaina ho 4,9% ny tahan’ny harikarena faobe ho an’ny taona 2023, araka ny voafaritra ao anatin’io volavolan-dalàna io, raha toa ka 4,2% izany ho an’ny taona 2022. Antony maro no tombanana hahatrarana izany vina izany, toy ny fampihenana ny fandaniambolam-panjakana, araka ny angom-baovao.
Nisafidy ny hampihena ny fandaniambolam-panjakana ho an’ny fampandehanan-draharahan’ireo Andrimpanjakana sy ny Minisitera ny Governemanta ho an’ny taona 2023, araka ny voarakitra ao anatin’ny volavolan-dalàna laharana faha 017/2022 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2023. Tsy hisy fampiakarana, araka izany, io fandaniambolam-panjakana io, ankoatran’ny tambin-karaman’ireo lehiben’ny fokontany izay hiakatra 20 000 Ariary isan’olona.
Mikasika ny famatsiam-bola anatiny, ny ampahany lehibe dia atokana ho an’ny fanohizana ireo asa natomboka tamin’ny taona 2022, indrindra ny fanamboarana ny arabe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ny fananganana ny fotodrafitrasa mitondra herinaratra avy amin’ny masoandro ary ny fantsona lehibe mitondra rano « pipeline » EFAHO. Eo koa ny fanohizana ireo fampiasambola ho an’ny sehatra sosialy toy ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fampianarana sy fahasalamana. Isan’ny hevitra nivoitra nandritra ireo fikaonandoham-paritra momba ny tetibola tamin’ny volana martsa 2022 rahateo ny fananganana na fanarenana ireo fotodrafitrasa ho an’ny fampianarana, ny lalana ary ny fahazoana misitraka ny tolotra momba ny fahasalamana. Raha ho an’ny sehatra famokarana, ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’ny tetikasa « Titre Vert », ny fividianana ireo fitaovana ho an’ny tetikasa ODOF, ny fanarenana ireo tany fambolena, ny fametrahana ireo « Zones d’Emergence Piscicole » no anisan’ireo lahasa ho atao mba hahafahana mampitombo ny vokatra sy ny famokarana. Eo amin’ny sehatra fotodrafitrasa kosa dia hitohy ny fananganana ireo trano sosialy na « logements sociaux », ireo tanàna vaovao, ny lalana. Etsy ankilany, mbola tetikasa maro ihany koa no andrasana amin’ny taona hoavy, amin’ny alalan’ireo famatsiambola avy any ivelany.
Fitombon’ny harinkarena 4,9%
Tombanana ho 4,9% ny fitombon’ny Harinkarena faobe ho an’ny taona 2023, raha ny voarakitra ao anatin’ny PLFI 2023. Ireo fampiasam-bola maro isan-karazany izay hanomboka na hifarana ny taona 2023 (fampiasambola ataon’ny fanjakana ary iarahany amin’ny sehatra tsy miankina) dia tokony hahatratra izany vina napetraka izany, araka ny fanazavana. Isan’ny tetikasa atao ny fanajariana sy fanondrahana ireo faritra fambolena izay tokony hampiakatra ny tahan’ny famokarana ara-pambolena, toy ny vary, izay vinavinaina hiakatra 9% ny famokarana azy. Tsara ho fantatra fa 0,9% ny fitombon’ny taham-pamokarana teo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ho an’ity taona 2022 ity, raha toa ka 3,8% no novinavinaina tao anatin’ny LFR 2022. Ho an’ny taona 2023 kosa, hifantoka amin’ny fanomezan-danja ireo tetikasa hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo ny Governemanta, ka tombanana ho 2,3% ny fitombon’ny famokarana.
Sehatry ny indostria
Etsy ankilany, tombanana ho eo amin’ny 14,7% eo ny fitombon’ny famokarana eo amin’ny tontolon’ny indostria. Izany dia noho ny ezaka amin’ny fanohizana ireo hetsika fametrahana indostria (fanokafana orinasa mamokatra siramamy sy simenitra, sy famoronana « zone d’émergence industrielle » izay ahafahana mampihena ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Eo koa ny fanamboarana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa fitaterana sy ny serasera ary ny fampandrosoana sy fanamorana ny tolotra angovo mba hanome vahana kokoa ireo fampiasam-bola eo amin’ny sehatra tsy miankina. Ho an’ny harena an-kibon’ny tany manokana dia tokony hampiharina ny lalàna vaovao mifehy azy mba hahafahana mamelona indray ny asa sy ny tombony azo amin’io sehatra io 2023 sy hisarihana ireo mpamatsy vola, araka ny fanadihadiana.
Mpizahatany 300 000 isa ho an’ny taona 2023
Ankoatra izay, hanamarika ny taona 2023 ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 eto Madagasikara. Noho izany, tokony hiverina hiroborobo ny fizahantany. Efa nisokatra tanteraka ihany koa ny sisin-tany ny telovolana voalohan’ny taona 2022. Mikendry ny Minisiteran’ny Fizahantany fa tokony ho tafakatra tamin’ny isa azo tamin’ny taona 2019 ny isan’ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara ho an’ny taona 2023, dia manodidina ny 300 000 isa izany. Tokony hampiakatra hatrany amin’ny 30,2% ny fidirambolan’ireo hotely lehibe sy trano fandraisam-bahiny eto amintsika izany, ho an’ny taona 2023.
Marihina fa io vinavina 4,9% ho an’ny fitomboan’ny harikarena amin’ny 2023 io dia hotohanana amin’ny tahan’ny fampiasam-bola manodidina ny 25,3% an’ny harikarena faobe, 12,2% avy amin’ny Fanjakana foibe ary 13,1avy amin’ny sehatra tsy miankina. Ny famatsiana ny fandaniam-bolam-panjakana dia iantohan’ny fampidiran-ketra anatiny izay mahatratra 12,1% ny tahany ny taona 2023, ary ireo fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka izay hahatratra 6,4% ny tahany.




