PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FAMONOANA AN’I HENRI R. – MPIARO TONTOLO IAINANA: Hiakatra fitsarana anio ireo olona 35 voasaringotra
Araka ny fantatra dia hiakatra eo anivon'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava any Ambatolampy anio ireo olona miisa 35 voasaringotra tamin’ny raharaha famonoana an’i Henri Rakotoarisoa. Ity farany izay mpilatsaka an-tsitrapo sy mpanao fanairana momba ny tsindry mihatra amin'ny harena voajanahary…
Olona miisa 35 no fantatra fa hotsaraina anio eo anivon’ny Fitsarana Ady Heloka Bevava any Ambatolampy. Izy ireo izay voasaringotra tamin’ilay raharaha namonoana an’Itompokolahy Rakotoarisoa Henri, Mpilatsaka an-tsitrapo sy mpanao fanairana momba ny tsindry mihatra amin’ny harena voajanahary. Raha hiverenana dia nitolo-tena teny amin’ny manam-pahefana noho ny fahatahorana fitsarambahoaka ireo olona 35 ireo. Ny 28 tamin’izy ireo no nomena fahafahana vonjimaika, ary ny 7 kosa no naiditra am-ponja vonjimaika.
Raha tsiahivina ny zava-nisy, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana i Henri Rakotoarisoa, filohan’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) MIALO. Vondron’olona mpitrandraka ala tsy manara-dalàna no nahavanon-doza, araka ny loharanom-baovao. Hita faty ny 2 jona 2022 lasa teo tao amin’ny alan’Ankazondandy-Beparasy, teo anelanelan’ny distrikan’i Moramanga, Manjakandriana ary Andramasina ity mpiaro ny tontolo iainana, efa ho 70 taona ity.
Fitrandrahana tsy ara-drariny
Raha ny angom-baovao natao, dia fantatra fa tohin’ny tranganà disadisa nisy efa ela ity tranga iray ity. Nanao antso maro tamin’ny tomponandraikitra, mikasika ny fitrandrahana tsy ara-drariny tao amin’io faritra io i Henri Rakotoarisoa tamin’ny volana septambra 2021. Ho valy faty, dia nahavita nampiditra am-ponja vonjimaika (5 andro) an’i Henri ireo mpitrandraka ireo rehefa nendrikendrehina ho mpanakorontana ny fiarahamonina tamin’izany.
Teo am-pikarakarana famindram-pitantanana ny ala voajanahary miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny VOI MIALO sy ny sampandraharan’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy i Henri Rakotoarisoa no nisy namono. Ity ala voajanahary ity izay mirefy manodidina ny 2000 ha.




