PolitikaSongadim-baovao
FAHATAPERAN’NY MANDAT-N’IREO MPITSARAN’NY PAC: Tsy tokony ho ny fiarahamonim-pirenena no itarika amin’ny tsy fanarahan-dalàna
Raha ny lalàna mikasika ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly na ny Pac, tany amin’ny taona 2016, no raisina, dia maharitra 4 taona ny fepotoam-piasan’ireo mpitsara eo anivon’ity rafi-pitsarana miady amin’ny kolikoly ity. Ny lalàna laharana 2021-015 tamin’ny 15 Aogositra 2021, izay nanitsy sy nameno ny andininy sasantsasany tamin’ilay lalàna 2016-021 mahakasika ny Pac, dia nanova ho telo taona io fepotoam-piasana io. Ny herinandro lasa teo, namoaka didim-pitondrana ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana, andriamatoa Rakotozafy François, izay nanambara ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ireo mpitsara miisa 17 eo anivon’ny Pac Antananarivo ankehitriny.
Mitaky tsy fanajana ny lalàna..
Ny alakamisy teo, nisy fiarahamonim-pirenena niara-nanao fanambarana mahakasika ny fizotry ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara, ary nanisy resaka mahakasika io didim-pitondrana milaza ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ny mpitsara eo anivon’ny Pac io. Tafiditra ao anatin’izany ny Transparency International. Mitaky ireo fiarahamonim-pirenena ireo mba hohazonina amin’ny toerana ireo Mpitsara tapitra fepotoam-piasana eo anivon’ny PAC. Naneho ny heviny mahakasika ity fitakian’ny fiarahamonim-pirenena ity ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, omaly. Nambarany fa mpanome soso-kevitra na mpisintona lakolosy ny fiarahamonim-pirenena raha ny tokony ho izy. Ankehitriny anefa dia lasa mitaky ny hitazomana amin’ny toerany ireo mpitsara lany fepotoam-piasana izy ireo. “Fahefana avy aiza no hahafahan’ny Transparency international manao izany fanambarana izany? Izaho aho vao nahita fiarahamonim-pirenena niady ho an’ny tsy fanajana ny lalàna. Ary mitaky tsy fanajana ny lalàna”, hoy ny fanazavana. Nomarihiny fa rehefa tapitra ny fepotoam-piasan’ny olona iray, na iza na iza, dia mitsahatra amin’ny asany. Izany indrindra no nahatonga ny Minisitry ny Fitsarana nandray didim-pitondrana tamin’ny 8 novambra 2022 milaza fahataperan’ny fepotoam-piasan’ny mpitsara rehetra ao amin’ny PAC. Izany hoe, nanaja izay voalazan’ny lalàna ilay minisitra tomponandraikitra, fa ny fiarahamonim-pirenena indray no mitaky ny mifanohitra amin’izay.
Pac isaky ny renivohi-paritany?
Etsy ankilany, mitaky ihany koa ireo fiarahamonim-pirenena ny fampiharana ny paikadim-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly, izay nihatra nanomboka 2015 ka hatramin’ny 2025. Voalaza ao anatin’io paikadim-pirenena io fa tokony hisy rantsamangaika iray isaky ny renivohi-paritany ny Pac. Ankehitriny, milaza ireo fiarahamonim-pirenena fa manahy ny fandrosoan’ny ady amin’ny kolikoly marina eto Madagasikara noho ny mbola tsy fisian’ireo rantsamangaika isaky ny renivohi-paritany ireo. Ny mahagaga anefa dia tsy nasian’izy ireo resaka mihitsy ny talohan’ny taona 2019, izany hoe, teo anelanelan’ny taona 2015 sy 2019. Taiza izy ireo no tsy niantsoantso ny hametrahana ireo rafitra ireo? Ankehitriny, renivohi-paritany roa ihany no misy ny Pac, dia Antananarivo sy Mahajanga. Ary mbola ny Fitondram-panjakana ankehitriny koa aza no nametraka izany, ny taona 2020.
Nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, fa “efa tsy mahitsy fijery ireo fiarahamonim-pirenena, indrindra ny Transparency International. Izay lasa tahaka ny fantsona mpamerina ny tenin’ny mpanohitra. Ary mampiana-dratsy ny olom-pirenena”.


