Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
BAOLINA KITRA: Raikitra ny fiadiana ny Amboara eran-tany 2022
Rahampitso no hanomboka ny fifaninanana hiadiana izay ho tompondaka eran-tany, eo amin’ny taranja baolina kitra. Any Qatar no hanatanterahana ny fifaninanana, izay miditra eo amin’ny andiany faha-22 amin’ity taona 2022 ity. Qatar no Fanjakana kely indrindra handray ny fifaninanana hatramin’izay nisiany, nefa izy no mampiasa vola betsaka indrindra izay mitentina 220 milliard d’euros tamin’ny fikarakarana. Izany hoe avo dimy heny tamin’ny fitambaran’ny vola lany tamin’ny fikarakarana ireo andiany fito farany, araka ny angom-baovao. Raha ny fantatra, i Brésil no nitana ny firaketana ambony indrindra tamin’ny vola lany tamin’ny fikarakarana nandritra ny amboara eran-tany 2014, izay nitentina 14 milliards d’euros. Haharitra 29 andro ny fiadiana ny amboara eran-tany, mitsinjara amina kianja valo manaraka ny fenitra, misy mahazaka mpijery hatramin’ny 80 000 isa.
Firenena 32 mitsinjara amina vondrona valo ahitana ekipa efatra avy isan’isany no hiady amboara iray, izay goavana indrindra eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra maneran-tany. Firenena dimy amin’ireo no misolotena an’i Afrika mandritra ity andiany ity, ahitana an’i Sénégal ao amin’ny vondrona A, Tonisia ao amin’ny vondrona D, Maraoka ao amin’ny vondrona F, Cameroun ao amin’ny vondrona G, ary Ghana ao amin’ny vondrona H. Isan’ireo niteraka resaka be taty amin’ny kaontinanta Afrikana ny ekipam-pirenen’i Sénégal andro maromaro lasa izay. Fantatra mantsy ankehitriny, fa tsy afaka hanohy hiakatra kianja mandritra ny amboara eran-tany ilay lohalaharana sangany Sadio Mané, andrarezin’ny baolina kitra Afrikana sady laharana faharoa amin’ny mpilalao mendrika indrindra maneran-tany na ny « balon d’or » farany. Naratra teo amin’ny lohalika ny tenany nandritra ny lalao nihaonan’ny klioba misy azy Bayern de Munich sy ny Werner Brême, isan’ny antony mahatonga ny tenany tsy afaka hiatrika ny fifaninanana. Araka ny angom-baovao, tsy noesorin’i Alliou Cissé mpanazatra an’i Sénégal ao anaty lisitra ny tenany fa tsy afaka milalao fotsiny, izany hoe 25 izany no mandrafitra ny Lions de la Teranga an’i Sénégal any Qatar.
Heriniaina S (Mpianatra asa) sy LR.


