Songadim-baovaoSosialy
COVID-19 ETO MADAGASIKARA : Miha miakatra ny tarehimarika, 195 ireo tranga vaovao
Tsy nitsaha-niakatra ny antontanisan’ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny Coronavirus tato anatin’ny telo herinandro farany. Ho an’ny teo anelanelan’ny 12 ka hatramin’ny 18 Novambra 2022, niisa 195 ireo tranga vaovaon’ny Covid-19. Tafakatra 264, araka izany, ireo olona mbola manaraka fitsaboana ankehitriny.
39 ireo tranga vaovaon’ny Covid-19 teo anelanelan’ny 29 oktobra ka hatramin’ny 4 novambra 2022. Niakatra ho 71 izany teo anelanelan’ny 05 novambra sy 11 novambra. Ary farany teo, raha ny tatitra nivoaka ny faran’ny herinandro teo, tafakatra 195 indray ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus teo anelanelan’ny 12 ka hatramin’ny 18 novambra 2022. Tato anatin’ny telo herinandro farany, araka izany, dia tsikaritra ho tsy nitsaha-niakatra ny tahan’ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto Madagasikara.
Araka ny tarehimarika navoakan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny eto amin’ny Faritra Analamanga no nahitana tranga vaovao betsaka indrindra. Tamin’ireo tranga vaovao miisa 195 ireo, ny 157 dia avy eto Analamanga avokoa. Raha toa ka nahitana tranga vaovao miisa 12 tany amin’ny Faritra Anosy, 08 avy any Atsinanana, 08 tany Vakinankaratra, 04 avy any Menabe, 03 tany amin’ny Faritra Diana, ary tranga 01 avy no hita tany amin’ny Faritra Boeny sy Androy ary Sava. Tafiakatra telo koa ireo olona manao fahasarotana ary tsy nisy ny aina nafoy. Ankoatra izay, olona miisa 264 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana, ankehitriny.
Hatreto, ivon’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 ny eto Analamanga, raha ny tarehimarika no jerena. Tsy azo ihodivirana, araka izany, ny tokony hanamafisana indray ny fanajana ireo fepetra sakana isan-tsokajiny mba hifehezana dieny izao ny fiparitahan’io valanaretina io. Tafiditra ao anatin’izany ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony, ny fampiasana “gel désinfectant”, ny fanajana ny elanelana, ny fanaovana arotava. Fepetra fisorohana azo atao ihany koa ny fanaovana vaksiny fanefitra. Hiaraha-mahalala fa hiditra anatin’ny vanim-potoan’ny fety isika izao, hiatrika ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona. Zava-dehibe, noho izany, ny hifehezana ny fiparitahan’ny Covid-19 mba tsy hampisy fiantraikany ratsy, tsy eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina ihany fa eo amin’ny fihodinan’ny toekarena ihany koa.
Johannah (Mpianatra asa) sy LR.


