Songadim-baovao
FIVAROTAN-TENA AMIN’NY ATERINETO : Voasambotra ilay atidoha nikotrika nampiasa vehivavy maromaro
Niakatra fampanoavana omaly, tetsy Anosy, ilay Ramatoa atidoha nikotrika nampiasa vehivavy amina fivarotan-tena mamoafady amin’ny aterineto, tetsy Ambohidrapeto Itaosy. Mahazo 50 dolara isaky ny mahafeno isa tratrarina ireo vehivavy. Sarona nandritra ny fisavana ireo vehivavy miisa dimy sy ilay atidoha nikotrika…

Tsy afa-bela ! Efa ny datin’ny 28 septambra lasa teo, no naharay vaovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny zandary miasa ao amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava, etsy Fiadanana, fa misy vehivavy iray mipetraka eny Ambohidrapeto Itaosy. Mampiasa vehivavy maromaro, amina asa vetaveta sy mamoafady, amin’ny alalan’ny fivarotan-tena amin’ny aterineto. Araka izany, ampiasain’io vehivavy io ireo olona ireo, entiny hitadiavana tombontsoa hahazoana vola. Izy no miantoka ny trano, ny fitaovana rehetra entina manatanteraka io asa ratsy io, toy ny ordinatera, ny « connexion », ao koa ireo fitaovana ampiasaina. Vazaha any ivelany no mifanaraka amin’ilay vehivavy mpiasa, dia asain izy ireo miboridana sy manao ireo karazana fihetsika mamoafady. Tanjona amin’izany dia manome fahafinaretana ireo Vazaha mpanjifa. Raha ny fanadihadiana, 50 dolara isaky ny mahafeno « isa 5000 ». Atakalo amin’ireny mpanakalo vola vahiny eto an-toerana izany avy eo. Rehefa atakalo vola gasy io, dia lasa 200.000 ariary, izany hoe, miankina amin’ny sandam-bola koa. Nifanaraka ny Mpampiasa sy ny mpiasa fa 70 000 Ar isaky ny fanatontosana indra mandeha no karaman’ilay mpiasa, ankoatra izay, an’ny mpampiasa avokoa ny 130 000 Ar izany. Rehefa nanontaniana mikasika azy io ny mpampiasa, dia nilaza fa manofa ny trano iasana, mandoa ny jiro, « connexion » ary ny sakafo izy.
Vehivavy dimy tra-tehaka…
Nidina teny an-toerana, araka izany, ny Zandary, ny 18 novambra lasa teo, nanatanteraka ny fisavana, rehefa nahazo ny fahazoan-dalana misava trano avy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, izay mitondra ny laharana 16096-PRT/2022, ny datin’ny 7 novambra 2022. Vokany, hita tao tokoa ilay Ramatoa atidoha nikotrika, ary izy no nandray sy nampandroso. Vehivavy miisa dimy hafa koa no tratra tao, ordinatera miisa fito, « caméra » iray, Fitaovam-pahafinaretana plastika miisa roa, ary pasipaoro iray. Miisa fito ny efitrano, ka dia ny telo amin’izany no natokana anaovana ilay asa mamoafady. Nentina avy hatrany izy ireo, namonjy ny biraon’ny zandary, natao andrimaso. Fantatra fa ny roa tamin’izy ireo no ampiasaina amin’io asa ratsy, taorian’ny famotorana. Misy kosa mpahandro sakafo ary ny roa kosa, dia mpiara-miasa amin’ilay atidoha mikotrika, amin’ny fampiasana ireo vehivavy ireo, no sady miasa ihany koa. Nomarihan’izy ireo anefa, fa ity farany no lehiben’izy ireo. Nisy vehivavy roa hafa koa niasa tao, saingy tsy tao izy ireo tamin’ny fotoana nanaovana fisavana. Tsara homarihina fa eny Ambohipo no toerana fanakalozana ilay vola Dolara ho lasa vola gasy. Niaiky ny asa ratsiny izy ireo, nandritra ny famotorana, saingy noho ny tsy fisiam-bola sy tsy fisian’ny asa no nanosika azy ireo, nanao azy io. Niakatra fampanoavana omaly, ny raharaha.



