PolitikaSongadim-baovao

TETIBOLAM-PANJAKANA: 45 miliara ariary no natokana ho an’ny fifidianana amin’ny 2023

30 andro mahery sisa dia higadona ny taona 2023, izay taom-pifidianana ho antsika eto Madagasikara. Amin’izao ankatoky ny fandinihana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023 izao, dia tafiditra ao anatin’ny planina efa napetraky ny Governemanta ny fanomanana tetibola ho an’izany fifidianana amin’ny taona ho avy izany. Omaly nilaza ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabariniriarison, fa vola mitentina 45 miliara ariary no natokan’ny Fanjakana ho an’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny Ceni hikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara ho an’ny taona 2023. Tsy nisy famaritana tao anatin’izany na ho an’ny Fifidianana ho Filohan’ny Repoblika na ho an’ny Kaominaly. Ny azo antoka hatreto, dia efa tafiditra tanteraka amin’ny fiomanana ny fifidianana isika eto Madagasikara ankehitriny. Ary efa mitodika mankany amin’izany avokoa ireo hetsika atao rehetra.

Tsara marihina fa volan’ny Fanjakana malagasy madiodio io 45 miliara ariary notombanana io. Eo anatrehan’ny hahalehiben’ny fifidianana izay ho atrehina amin’ny taona ho avy anefa, dia tsy azo ihodivirana ny fidiran’ny mpiara-miombona antoka an-tsehatra amin’ny famatsiana ara-bola sy ara-pitaovana. Hatreto, tsy mbola nisy nanao fanambarana mahakasika izany.

Mbola anatin’ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny Mpifidy ampiasaina amin’izany fifidianana izany ny Ceni ankehitriny. Asa izay tsy maintsy natao ho fanajana izay voafaritry ny lalàna mahakasika ny “Refonte”. Manana hatramin’ny volana jona 2023 ny Ceni hanatanterahana izany. Efa hifantoka tanteraka amin’ny fanatanterahana ny fifidianana kosa aorian’izay. Mbola ny tetibola nomanin’ny Governemanta momba ny fifidianana amin’ny 2023 ihany aloha izany no fantatra hatreto …

Fermer