PolitikaSongadim-baovao
FITORIAN’NY “GEL” : Nohenoin’ny Polisy ekonomika ny Tale mpanatanteraky ny Transparency International – IM
Andro maromaro lasa izay no nanao fanambarana ny fiarahamonim-pirenena Transparency International – Initiative Madagascar ny amin’ny voalaza fa fisiana kolikoly eo amin’ny sehatry ny fanondranana letisia avy eto Madagasikara ataon’ny eo anivon’ny Vondron’ny mpanondrana letisia na ny GEL. Voambara tao anatin’izany fa famotsiam-bola, kolikoly iraisam-pirenena, fifanarahana tsy ara-drariny ary fandosiran-ketra no endrika fandikan-dalana hita teo amin’ny tsenan’ny fanondranana letisia teto Madagasikara tato anatin’ny 10 taona. Nambara ihany koa fa orinasa frantsay 2 ihany no nomen’ny Fivondronan’ny mpanondrana letisia eto Madagasikara (GEL) fahefana feno hisahana ny fanondranana ny letisia Malagasy tany amin’ny Vondrona Eropeana nanomboka ny taona 2011 hatramin’ny taona 2021. Manoloana io voalaza fa ahiahy kolikoly tao anatin’ny fanondranana letisia tao anatin’ny 10 taona io, araka izany, dia nametraka fitoriana teny amin’ny PAC ny Transparency International Madagascar ny alakamisy 10 Novambra teo. Misy ihany koa ny fitoriana napetraka tany Parquet National Financier ao Frantsa, araka ny angom-baovao.
Tetsy ankilany, lainga ary fanaratsiana ny filazana fa misy ambadika famotsiam-bola avo lenta ny sehatra fanondranana letisia any ivelany, hoy ny GEL tao anatin’ ny fampitam-baovaony, taorian’ity vaovao navoakan’ny Transparency International ity. Ity farany izay nilaza fa ny GEL dia vonona ny hamoaka ny mangarahara rehetra ilaina sy takiana hanaporofoana fa tsy mitombona izany filazan’ny Transparency International izany. Ankoatra izay, manahy ny mety hisian’ny korontana ny GEL amin’izao fotoana ankatoky ny fotoam-panondranana letisia izao.
Teo anatrehan’ireo rehetra ireo, nametraka fitoriana ho an’ity fiarahamonim-pirenena ity ihany koa ny GEL noho ny voalaza fa fanaratsiana sy fanalam-baraka nataony. Raha ny fantatra dia omaly no nohenoin’ny Polisy ekonomika ny Tale mpanatanteraky ny Transparency International – Initiative Madagascar, Ketakandriana Rafitoson. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa afaka nody ny tenany ny harivan’ny omaly, saingy mbola hitohy kosa ny fihainoana azy. Samy manaraka akaiky ity vaovao ity avokoa ny rehetra, andrasana ny ho tohin’ny raharaha…




