
PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA TRANSPARENCY INTERNATIONAL-MG: Nahemotra ny fampiakarana fampanoavana an’i Ketakandriana Rafitoson
Taorian’ny fihainoan’ny polisy ekonomika an’i Ketakandriana Rafitoson, Tale mpanatanteraky ny Transparency International eto Madagasikara, sy i Dominique Rakotomalala, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny TI-MG, afak’omaly, dia tokony ho niakatra fampanoavana omaly ny raharaha. Araka ny fantatra anefa dia nihemotra amin’ny fotoana tsy voafetra izany. Tsiahivina fa ny Fivondronan’ireo mpandraharaha mpanondrana letisia mankany ivelany (GEL) no nitory ny Transparency International Initiative Madagascar rehefa voambara fa nanao fanambarana diso miharo fanalam-baraka ity farany. Raha hiverenana ny nambaran’ny TI-MG dia ny ahiahy kolikoly goavana ao anatin’ny fanondranana letisia avy eto Madagasikara mankany ivelany. Nisy ny fitoriana napetrak’izy ireo tamin’izany teny anivon’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly na ny PAC, sy ny fitsarana any Frantsa.
Tranga isan’ny nanaitra ny mpanara-baovao ny tontolo andron’ny omaly ny nahita ireo karazana fanambarana nataona Masoivoho vahiny sasantsasany teto amintsika nifandraika tamin’ity raharaha nahavoasaringotra ny tomponandraikitra ao amin’ny Transparency International ity. Nisy koa ireo mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena hafa izay nanao fanambarana fanamelohana ny fanenjehana ireo olona voakasika ireo. Voalohany, mahagaga ny hanenjehana avy hatrany ny Fanjakana kanefa ny GEL (izay vondron’ny mpanondrana letisia) no manao ny fitoriana. Mampametra-panontaniana koa ny mahatonga ilay fitoriana ho niteraka resabe, kanefa na iza na iza, na vondron’olona iza na iza, dia manan-jo hitory foana rehefa mahatsiaro ho voakasika amina tranga iray na raharaha iray. Mipetraka koa ny fanontaniana misy olona tsy azo toriana sy ny azo enjehin’ny lalàna ve izany? Sa rehefa fiarahamonim-pirenena dia tsy azo toriana? Mbola mampametra-panontaniana ihany koa ny tsy fitongilanana marina eo amin’ny Transparency Internationa-MG rehefa manao fanadihadiana. Tsikaritra tokoa mantsy tato anatin’ny fotoana lavalava izay fa toa miharo fanehoan-kevitra politika indraindray ny fanambarana ataon’ny fiarahamonim-pirenena tahaka ny Transparency International, ka nanambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, tamin’ny herinandro lasa teo, fa zary lasa mpitondra tenin’ny mpanohitra izy ireo… Andrasana ny ho tohin’ny raharaha…




