PolitikaSongadim-baovao

FANAVAOZANA TANTERAKA NY LISITRY NY MPIFIDY: Maherin’ny 4 500 000 ireo mpifidy efa voasoratra anarana

Tsy misy mihitsy antony tokony tsy hahatrarana ny tanjona efa napetraka amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny Mpifidy na ny refonte, hoy ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), raha nanontaniana. Ny 38%-n’ireo mpifidy miisa 13 500 000 hatreto no efa voasoratra anarana, ary voarakitra eny anivon’ny distrika manerana ny Nosy, araka ny fantatra.

Mpifidy miisa 13 500 000 no kendrena ho tafiditra ao anatin’ny lisitra vaovao ao anatin’ny hetsika fanavaozana tanteraka ny lisitry ny Mpifidy ataon’ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Nanomboka ny 01 oktobra 2022 teo ny hetsika, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 31 desambra 2022. Iray volana mahery izany sisa no ananan’ny Ceni hahatrarana ny tanjona napetraka. Hatreto, ny 50%-n’ireo karine fanisana mpifidy tonga eny anivon’ny distrika no efa vita “saisis”, ka nahazoana ny tarehimarika 4 500 000, ny andron’ny talata 22 novambra 2022 lasa teo. Izany hoe, efa maherin’ny 4 500 000 ireo mpifidy voasoratra anarana ary voarakitra eny anivon’ireo distrika miisa 119 manerana ny Nosy, araka ny nambaran’ny Mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, raha nanontaniana.

38%-n’ny tanjona

Manodidina ny 38%-n’ny tanjona tratrarin’ny Ceni, araka izany, no efa vita, raha ny fanazavana hatrany. “Tsy misy mihitsy antony tsy tokony hahatrarana ny fepotoana napetraka hamitana ny fanisana ireo olom-pirenena rehetra tokony hiditra ao anatin’ny lisitry ny Mpifidy”, hoy Soava Andriamarotafika. Misy amin’ireo Faritra sasany eto Madagasikara no efa lasa lavitra amin’ny fanisana, ary efa miandry ireo olona tsy tratra tao an-trano eny anivon’ny fokontany sisa.

Mpiasa amin’ny tsy miankina…

Etsy ankilany, manomboka amin’ny fiandohan’ny volana desambra izao koa no vinavinaina hanomboka ny fanisana ireo mpiasa eny anivon’ny sehatra tsy miankina. Raha tsiahivina, dia efa nisy ny fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny Ceni sy ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (FIV.MPA.MA) mahakasika ny fanisana mpifidy eny anivon’ireo orinasa tsy miankina. Tsy azo nirosoana anefa izany, araka ny angom-baovao, noho ny hamaroan’ireo orinasa tsy miankina izay tsy tafiditra ao anatin’ireny fivondronana mpandraharaha ireny. Mba ho fampitoviana lenta ireo mpiasa malagasy rehetra, noho izany, dia nisy ny fandaminana vaovao napetraka, ka io amin’ny fiandohan’ny desambra io no tombanana hanombohan’ny asa. Mbola nisy fandaminana natao, tahaka izany, koa ny mahakasika ny fanisana ireo voafonja mbola manana zo hifidy.

Raha tsy misy ny fiovana, dia amin’ny 29 Novambra 2022 izao ny eo anivon’ny Ceni no hanao hetsika izay hampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fandrosoan’ny asa atao amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.

Fermer