
PolitikaSongadim-baovao
LALATIANA RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO : “Tsy manana eritreritra ny hanemotra ny fifidianana ny Fitondrana ankehitriny”
Tsy mitombona ny fivoizana fa tsy vonona amin’ny fifidianana amin’ny taona ho avy ny Fitondrana ankehitriny, raha ny nambaran’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, omaly. Raha ny hevitry ny Fitondrana ankehitriny dia tokony ho mandeha ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2023, ary tsy misy fanalavana fepotoam-piasana. “Tsy manana eritreritra ny hanemotra ny fifidianana ny Fitondrana ankehitriny. Aoka tsy haha savorovoro ny saimbahoaka”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa ny Fitondrana ankehitriny dia manaja ny lalàmpanorenana, ary manaja ny foto-kevitry ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika amin’ny alalan’ny fifidianana.
Etsy ankilany, misy milaza fa tsy ampy hanaovana ny fifidianana rehetra ny tetibola nomanin’ny Fanjakana. Nambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa tamin’ity taona 2022 ity dia efa nisy tetibola nomen’ny Fanjakana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Tetibola izay nanaovana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy (Refonte). Teo koa ny fanomanana ny rindrambaiko. Nisy koa ny tetibola nanaovana ny fanentanana ny olona hiditra anaty lisitry ny mpifidy. Midika izany fa efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny CENI amin’izao fotoana izao. Ary nanome tetibola ho an’izany ny Fitondram-panjakana. Efa nisy koa ny sora-bola izay voafaritra ao anatin’ny LFI 2023 izay vao lany omaly. Raha toa, hoy ny Minisitra ka misy tsy fahampian’izany dia azo atao ny manitsy izany amin’ny LFR 2023.
Nampahafantarin’ity tomponandraikitra ity fa mariky ny fahavononan’ny Fanjakana hiroso amin’ny fifidianana ihany koa ny fanaovana ny hetsika kopia sy karapanondro faobe ho an’ireo olona 18 taona no ho mihoatra, mba hahafahana mampiditra ireo olona feno taona rehetra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Raha misy, noho izany, ny tombana izay ho ataon’ireo iraky ny SADC tonga eto Madagasikara ankehitriny, dia nanamafy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa efa nanao ny anjara andraikitra tandrify azy ny Fanjakana hirosoana amin’izany fifidianana izany.




