KolontsainaSongadim-baovao
FIFANINANAN-KIRA “STAR ACADEMY 2022” : Norombahan’ilay teratany malagasy Anisha ny amboara
Ilay teratany malagasy, Anisha Jo, no nandrombaka ny fandresena tamin’ny “Star Academy 2022” taorian’ny famaranana natao ny faran’ny herinandro teo. Ny “Star Academy” izay fifaninanan-kira isany malaza manerana an’izao tontolo izao. Niditra tamin’ny andiany fahafolo ny fifaninanana tamin’ity taona ity, izay efa naharitra enina herinandro.
Niisa efatra ireo nandray anjara nandritra ny fifaninanana tany amin’ny dingana famaranana, izay nahitana an’i Lea, Enola, Louis, ary i Anisha. Nizara roa ny fizotry ny famaranana. Ny tapany voalohany nisy ny “Battle”, niarahan’ny mpifaninana efatra nampiara-peo tamin’ny alalan’ilay hiran’i Witney Houston, “I Wanna dance with somebody”. Teo koa ny fampiaraham-peo niarahan’ireo mpifaninana tamin’ireo mpanakanto toa an’i Soprano, Lara Fabien, ary i Christophe Maé. Taorian’izay, niroso tamin’ny tapany faharoan’ny fifaninanana, ary tafakatra tamin’ny dingana famaranana i Anisha sy Enola.
Ilay hiran’i Josh Groban mitondra ny lohateny hoe « Hallelujah » no nohirainy, ary nambabony ny fon’ny mpijery ka nahazoany ny isam-bato 57% tamin’ireo mpifidy ary nibatany ny fandresena nanoloana ny mpifaninana taminy nandritra ny « Duel de la Finale ». Vola mitentina 100.000 euro miampy famokarana Album iray no loka nomen’ny TF1 izay mpikarakara ny fifaninanana an’i Anisha.
Voninahi-pirenena!
Teraka teto Madagasikara i Anisha Jo, ary lehibe teto Antananarivo. 22 taona ny tenany ankehitriny. Efa ho dimy taona mahery kosa izay no nandaozany an’i Madagasikara, ary nianarany tao Frantsa. Eo anatrehan’izao fandresena goavana izao, noho izany, dia isan’ireo efa nanao teny fiarahabana ity teratany malagasy nitondra avo ny voninahi-pirenena ity ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. “Tsy misy tsy hay atao rehefa entina am-pinoana ny fanatrarana ireo tanjona sy ireo nofinofy… Nasehon’i Anisha indray fa manan-talenta ny tanorantsika Malagasy. Ary naneho firaisankina ka niombom-po nanohana azy ihany koa ireo Malagasy rehetra na ny eto an-toerana na ireo any ivelany…. Koa fo feno hafaliana no entinay mivady miarahaba azy noho izany fandresena izany”, hoy ny Filoha.
Efa naneho teny fiarahabana azy koa ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tarihin’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, izay nanamafy fa mendrika an’i Anisha ny fandresena.



