PolitikaSongadim-baovao
SATAN’NY MPIARO NY ZON’OLOMBELONA SY MPISINTONA LAKOLOSY : Tadiavin’ny mpanao politika atao fitaovana hiafenana sy hanelezana vaovao diso
Isan’ny ivon’ny adihevitra eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ny mahakasika ireo voalaza fa mpisintona lakolosy izay ambara fa tokony hametrahana lalàna hiarovana azy ireo. Ireo fiarahamonim-pirenena no tena mivoy izany resaka izany. Tsy vitsy amin’izy ireo anefa no tsikaritra fa efa manana ny fironany ara-politika, ary mampiasa ny sata maha mpiaro ny zon’olombelona na mpisintona lakolosy azy ireo entina hanelezana vaovao tsy mari-pototra.
Omaly no tokony ho niditra hodinihina tamin’ny asam-baomiera teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna mahakasika ireo mpisintona lakolosy eto Madagasikara. Tsy tontosa anefa izany, fa mihemotra amin’ny 2 desambra, raha ny angom-baovao. Maro ireo efa nitaky ny tokony hametrahana ity lalàna momba ny mpisintona lakolosy ity. Isan’izany ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, nandritra ny lanonam-panokafana ny fivoriana faharoan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny volana Oktobra teo. Sesilany ihany koa, etsy ankilany, ny fanambarana ataon’ireo fiarahamonim-pirenena sasany eto amintsika, izay manery ny Fanjakana hametraka lalàna miaro ireo Mpisintona lakolosy.
Nitondra ny fanehoan-keviny ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, omaly, mahakasika ity resaka mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpisintona lakolosy ity, tamin’ny alalan’ny fanambarana. Novakian’ny Minisitera bantsilana tao anatin’ny fanambarany ny fisian’ireo olona sasany avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, izay miafina ao ambadiky ny sata maha mpisintona lakolosy na “lanceur d’alerte” mba hanaovana asa fanelezana vaovao diso, ny fanalambaraka. Ireny olona ireny izay hita fa efa manao politika politisianina saingy mitonona ho olon’ny fiarahamonim-pirenena.
Tranga vao tsy ela, ary anisan’ny nisarika ny sain’ny mpanara-baovao, nanomboka ny herinandro lasa teo, ny mahakasika ny raharaha hifandroritan’ny Vondron’ny mpandraharaha mpanondrana letisia (GEL) sy ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG). Raha hiverenana fohy ny zava-nisy dia niainga tamin’ny fitoriana napetraky ny TI-MG ny raharaha, izay nitoroka ny GEL ho nanao kolikoly amin’ny fanondranana letisia mankany ivelany. Nahatsapa izany ho fanalam-baraka ny GEL ka nitory ihany koa an’ny TI-MG. Nisy avy eo ny fihainoan’ny Polisy ekonomika ny mpitarika ao amin’ny TI-MG, ka nahatonga ny fanambarana sesilany avy amin’ireo Masoivoho eto amintsika. Fanambarana izay niantso avy hatrany ny Fanjakana tsy hanao fitaovana politika ny Fitsarana mba hampihorohoroana ireo mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpisintona lakolosy. Araka ireo voatanisa ireo anefa, dia tsy misy idiran’ny Fanjakana mihitsy ny mahakasika ity raharaha ity fa fifanolanan’ny samy tsy miankina, dia ny GEL sy ny fiarahamonim-pirenena TI-MG.
Diso toerana tanteraka, araka izany, ny fanambarana nataon’ireo mpisehatra sasany mahakasika io raharaha io. Ny Minisitera misahana ny Serasera izay niantso ny rehetra mba hiroso hatrany amin’ny fanamarinam-baovao sy ny tranga mialohan’ny hamoahana izany mba hisorohana ny fanapariahana vaovao diso.



