PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FANAVAOZANA NY RAFI-PANABEAZANA ETO MADAGASIKARA : Nolanian’ny Depiote ilay volavolan-dalàna laharana faha-009/2022

Omaly no nodinihina, ary nandraisana fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriana itambaram-be azon’ny besinimaro natrehina ny volavolan-dalàna laharana faha-009/2022 tamin’ny 15 Jona 2022 « portant orientation générale du système éducatif à Magadascar » teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nolanian’ny maro an’isa tamin’ireo Solombavambahoaka tonga nivory ity volavolan-dalàna ity.

Mbola betsaka ny lesoka eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala, nandritra ny fandaniana ilay volavolan-dalàna laharana faha-009/2022 tamin’ny 15 Jona 2022 « portant orientation générale du système éducatif à Magadascar » teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, omaly. Notsindriany fa tafiditra ao anaty Velirano fahefatra sy fahenina an’ny Filohan’ny Repoblika ny fanatsarana izany izay mikendry ny fametrahana rafi-panabeazana tsara sy azon’ny rehetra sitrahana. Nambarany ihany koa fa mifanohy amin’ny ezaka efa natao tamin’ny famolavolana ny PSE na « Plan Sectoriel de l’Education » ity volavolan-dalàna ity.

Nampifanarahana amin’ny tsenan’ny asa

Araka ny fanazavana dia isan’ny teboka tena misongadina ao anatin’ity volavolan-dalàna mirakitra ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara ity ny fametrahana rafi-panabeazana hifanaraka amin’ny drafi-pampandrosoana. Izany hoe, atao mifanojo amin’ny filàna ara-tsosialy, sy ara-toekarena ary ny tsenan’ny asa ny fampianarana atao. Izany hoe, any amin’ireo toerana mpamboly vary betsaka, dia omena fiofanana mifanaraka amin’izany ireo mpianatra. Toy izany koa, ohatra, ireo faritra mivelona betsaka amin’ny Jono, dia omena fiofanana momba izany koa ireo mpianatra. Tsy maintsy omena fitaovana mifandraika amin’izany, noho izany, ireo sekoly any amin’ny toerana voakasika. Mbola mifandraika amin’izany koa ny nametrahana ny tetiandrom-pampianarana izay naitatra ho 40 herinandro. Ao anatin’izany, nojerena manokana ireo Faritra izay ianjadiana tranga manokana, toy ny Kere, rivodoza, aretina miparitaka, sy ny sisa, mba hahatonga ny fampianarana hitohy.

Beazina amin’ny lafiny maro

Voalaza ao anatin’ity volavolan-dalàna ity koa, fa tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny fampianarana any an-tsekoly na “académique” ny fanabeazana, fa mila beazina amin’ny lafiny maro ny zaza. Isan’izany ny fampianarana ny fahaiza-miaina, fanabeazana tsy ho tia kolikoly, hanome lanja ny maha olona, sy ho tia ny mpiara-belona. Ankoatra izay, nilaza ny Minisitra tomponandraikitra fa saika ny fanabeazana fototra hatrany no nomena tombon-dahiny tamin’ny fijerena manokana, nandritra ireo Fitondrana nifandimby. Ny olana anefa, vitsy ireo mpianatra tafiditra eny amin’ny ambaratonga faharoa, indrindra ny tontolon’ny fampianarana ambony. Amin’ity rafi-panabeazana vaovao ity, araka izany, dia hahazo ny anjara tandrify azy avokoa ireo antanan-tohatra rehetra amin’ny fanabeazana, raha ny nambaran’ny Minisitra hatrany.

Fametrahana filankevi-pirenena

Araka ny fanazavana hatrany dia tsy maintsy hisy didim-pitondrana sy didim-panjakana manodidina ny 52 horaisina entina hamaritana sy hampiharana ity volavolan-dalàna ity. Hisy, rahateo, paikadim-pirenena momba ny fanabeazana sy ny fampiofanana ho apetraka. Eo koa ny fametrahana ny Filankevi-pirenena fakan-kevitra ho an’ny fanabeazam-pirenena. Rehefa tafapetraka io filankevi-pirenena io dia tsy mitondra irery ny politika momba ny fanabeazana intsony ny mpanatanteraka, fa hiarahana amin’ny olom-boafidy sy ireo herivelona rehetra eto amin’ny firenena.

Tokony ho fitaovana entina hampandrosoana ny firenena amin’izay tanjona tian-kotratrarina ny fanabeazana, hoy ny Minisitra tomponandraikitra, ka antony naha zava-dehibe ny nandanian’ny Solombavambahoaka ity volavolan-dalàna ity, omaly.

Fermer