PolitikaSongadim-baovao
FAMAKIANA BANTSILANA AHIAHY KOLIKOLY: Tokony hifototra amin’ny fanadihadiana lalina sy fanamarinam-baovao
Lasa tsy ny kolikoly indray no iadiana eto Madagasikara fa ireo mpitoroka kolikoly, hoy ny fanehoan-kevitry ny fiarahamonim-pirenena sasany taorian’ilay raharaha izay voalaza fa naha voasaringotra tomponandraikitra iray mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny ady amin’ny kolikoly. Omaly, nitondra fanazavana ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, izay nilaza fa ilaina ny fisian’ny mpanatsikafona trangana kolikoly. Ireto farany izay efa arovan’ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly, saingy ny fanatsikafonana trangana kolikoly kosa dia tokony hifototra amina fanadihadiana lalina sy fanamarinam-baovao samihafa, araka ny nambarany.
“Ny famakiana bantsilana tsy midika hoe hitady “buzz” fotsiny”, hoy ny fanazavany. Tokony ho zavatra mari-pototra no omena ny vahoaka ary tsy tokony hotaizana amin’ny vaovao tsy mari-pototra ny olom-pirenena, hoy hatrany izy. Notsindriany fa lasa manakana ny tena marina ilay fitiavana te halaza fotsiny. Ary mahatonga ny fanadihadiana tsy handeha any amin’ny votoatiny marina. “Lasa izay mitabataba no manana ny marina”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.
Tetsy ankilany, nanamafy ny fahavononana politika ananan’ny Fitondram-panjakana hiady amin’ny kolikoly ny Ministra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Manaporofo izany, hoy izy, ny fametrahana ny Ivo-toerana manara-maso ny fahazoana harena amin’ny tsy ara-drariny (ARAI). Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ihany koa izay nametraka ny IVOTORO, hisahana manokana ny fanampiana ny olom-pirenena amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana samihafa, hisorohana ny kolikoly mety hihodina ao anatin’izany.



