PolitikaSongadim-baovao

LALAMBE MIGODANA-ANTANANARIVO/TOAMASINA : Hatomboka ny asa fanamboarana

Hatomboka amin’ny fomba ofisialy anio 3 desambra 2022 ao Talata Volonondry ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mirefy 260km mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Lalambe migodana na “Autoroute” voalohany eto Madagasikara ity hotanterahina ity, izay hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy any amin’ny Faritra izay lalovany , dia ny Faritra Analamanga,ny Faritra Alaotra Mangoro ary ny Faritra Atsinanana. Hitondra fampandrosoana lehibe ho an’i Madagasikara ity fotodrafitrasa ity, araka ny fampahafantarana nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika, satria hampifandray ny renivohitr’i Madagasikara amin’ny seranantsambo lehiben’i Toamasina.

Ity fotodrafitrasa ity dia hanala fahasahiranana ho an’ny rehetra satria hanamora sy hanafaingana ny fivezivezen’ny olona sy ny entana, araka ny fanazavana. Tsara ho fantatra fa hahazaka fiara roa avy ho an’ny zotra mandroso sy miverina ny lalana, ary ho lasa adin’ny roa sasany ny faharetan’ny dia. Amin’ny ankapobeny izany, hahavita hivezivezy intelo ny fiara iray ao anatin’ny iray andro, raha ny fanazavana. Hampitombo ny vola miditra izany ho an’ireo mpitatitra, ary hampihena ny fandaniana ara-tsolika hatrany amin’ny 30 na 50%. Hitarika ny fihenan’ny vidin’entana ihany koa izany rehetra izany. Ary hisy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy, araka ny angom-baovao.

Tsiahivina fa ny fanaovana ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-11 nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, dia ny fanaovana an’i Madagasikara ho firenena maoderina.

Eo anatrehan’ny fanombohan’ity tetikasa ity, nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao sy ny vahoaka omaly ny Mpitondra tenin’ny Governemanta mba tsy ho mora handairan’ny fanelezana vaovao diso sy fanakorontanana ataon’ny mpanao politika sasany. Nampahatsiahiviny tamin’izany ny filazan’ny Solombavambahoaka Roland Ratsiraka nandritra ny lanonana fifanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa mahakasika ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ity, fa “na ho roa taona aza tsy hanomboka ny asa mahakasika ny lalana migodana (autoroute) Antananarivo-Toamasina”. Izao anefa dia hiara-mahita fa hatomboka amin’ity anio ity ny asa fanamboarana.

Tsara ho fantatra fa tamin’ity herinandro ity dia efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Faritra Analamanga,  notarihin’ny Governora Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy, tany amin’ny Fokontany Ambolo, Talata Volonondry. Nandritra izany, nisy ny lanonana ara-pomba nentin-drazana tamin’ny alalan’ny famonoana omby mazava loha, araka ny fangatahan’ny fokonolona mba ho tso-drano. Teo koa ny fifampiresahana tamin’ireo solontenam-pokonolona tany an-toerana.

Fermer